Politique

Fandaminana ny krizy Niveri-maina ny COI


  • Alatsinainy 11 Aprily 2011

Nandao an’i Madagasikara omaly tolakandro ny delegasion’ny Vaomieran’ny ranomasimbe indianina na COI, izay notarihin’ny ministry ny raharaham-bahiny maorisianina, Dr Arvin Boolell.

Nitsidika ireo rafitra najoron’ny Fahefana avon’ny tetezamita ary nifandimby nifampiresaka tamin’ireo tomponandraikitra amin’ireny avy ity iraka ity tao anatin’ny hateloana naharetan’ny diany teto, niainga tamin’ny filohan’ny FAT, nipaka hatrany amin’ny CENI nandalo tamin’ny governemanta sy ny parlemanta. Nisy koa ny fihaonany tamin’ny fiarahamonina sivily toy ny CNOSC. Niverimberina tao anatin’ny tenin’ity delegasiona vahiny ity, ny hoe hanohana ilay sori-dalana vita rangopohy teny Ivato ny COI mandritra ny fihaonana an-tampony hataon’ny SADC momba ny raharaha Madagasikara amin’ny faramparan’ny volana mey any, hanohana ny fikarakarana fifidianana ny COI, taratry ny firaisam-pirenena ny rafitra efa mijoro, indrindra fa governemanta, zon’ireo tsy vonona hiditra anaty rafitra ny mijanona ho mpanohitra ary afaka mandray anjara amin’ny fifidianana ho avy izy ireo.

Rehefa nohenoina dia nanao tsianjery izay efa nambaran’ny Dr Leonardo Simao, nialoha ny nialan’ity farany teto Madagasikara taorian’ny fahavitan’ny rangopohy ilay sori-dalana teny Ivato, ny Dr Arvin Boolell nitarika ny delegasion’ny COI ity. Ary tsy nisy antony tokony hahatongavan’izy ireo teto akory raha hanao tsianjery izay efa voalaza, raha tsy hoe angaha hisalovana ny asan’ny SADC, izay hany neken’ny vondrona Afrikanina sy ny Firenena Mikambana handray an-tanana ny fanelanelanana amin’ny krizy eto, ka nanendrena ny filoha mozambikanina teo aloha, Joachim Chissano hitarika izany. Mazava ny hevitry ny Ankolafy Telo mikasika an’io, ary nanaovany taratasy manokana navantana tany amin’ny masoivohon’i Maorisy. Ny lehiben’ny delegasiona isany, Dr Emmanuel Rakotovahiny (ankolafy Zafy), Pr Ange Andrianarisoa (ankolafy Ratsiraka) ary Manandafy Rakotonirina (ankolafy Ravalomanana) no nanao sonia ny taratasy iombonan’ny Ankolafy Telo, izay naniraka an’ny Dr Miandrisoa Marcel sy Dr Randriamiandrisoa Joseph (ankolafy Zafy), Levelo Boniface (ankolafy Ratsiraka) ary Ruffine Tsiranana (ankolafy Ravalomanana) hitondra an-tanana sy hanome mivantana ny taratasy amin’ny ambasadaoron’i Maorisy tao Manakambahiny ny tolakandron’ny sabotsy 09 aprily teo.

Milaza mazava io taratasy io fa ny SADC ihany no fantatry ny Ankolafy telo sy ekeny ho sehatra manelanelana amin’ny krizy eto Madagasikara. Ny fidiran’ny COI eto dia fisalovanana ny asan’ny SADC izay notendrena sy hany rafitra eken’ny Firaisambe afrikanina sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena handray an-tanana ny raharaha eto. Notsiahivin’io taratasy io fa ny Repoblikan’i Maorisy, tamin’ity alalan’ny ministry ny raharaham-bahininy ity, dia efa nankasitraka an’i Andry Rajoelina taorian’ny nananganany governemanta, fihetsika izay mifanohitra amin’ny fanapahan-kevitry ny Troika SADC tamin’ny 31 martsa. Amin’ny Ankolafy telo dia fanoherana tsotra izao ny fehin-kevitry ny SADC no ataon’i Maorisy. Koa namerina sy manamafy indray ny antso nataony amin’ny mpanelanelana iraisam-pirenena, ny SADC, ny Vondrona afrikanina, ny GIC, ary ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Ankolafy telo amin’ny hikarakarana fihaonana an-tampon’ireo filohan’ny ankolafy efatra miampy ireo mpitarika izay firehana politika lehibe, hatao eto Antananarivo ary tarihin’i Joachim Chissano, hahafahana mitady vahaolana tenierana hamaranana izao krizy izao. Izay no voalaza fa tsy nandraisan’ny Ankolafy telo ny fanasana nataon’ny mpitarika ny delegasion’ny COI tamin’io sabotsy io. Tamin’ny firafitry ny delegasiona tonga teny Manakambahiny dia efa mazava fa toy ny tsy misy amin’ny Ankolafy telo ity delegasiona COI tonga teto ity, raha resaka fanelanelanana no anton-diany.

Nazava koa ny an-dry zareo teo anivon’ny CNOSC, mikasika ny fikarakarana fifidianana fa tsy azo irotorotoana fa tsy maintsy dinihina tsara. Maro rahateo ny zavatra tsy maintsy alamina, indrindra amin’ny fandrafetana ny lisi-pifidianana. Araka izany dia kaontin’ny niveri-maina ny delegasion’ny COI. Na izany aza dia maro amin’ireo mpanadihady politika no mihevitra fa iny tsidika iny dia vokatry ny dia nifandimby tatsy Maorisy nataon’i Camille Vital, praiministry ny FAT, ny Dr Leonardo Simao, iraky ny ekipa mpanelanelan’ny SADC, Elias Akbaraly, ilay mpandraharaha karana mpiara-miasa akaiky amin’ny FAT ary ireo vazaha Frantsay niisa folo teo niasa mangina ho an’ny FAT talohan’ny fivorian’ny Troika tany Livingstone Zambia ny faran’ny volana martsa teo.

 
Nangonin’i Jean D.
 
Sary : Delegasion’ny COI teny Mahazoarivo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT