Raha fivoriana tsy ara-potoanan’ny SADC no tokony hotontosaina amin’ity 08 aprily ity dia delegasiona avy amin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe indianina na COI no higadona eto anio.
Delegasiona izay tarihin’ny Dr Arvin Boolell, minisitry ny raharaham-bahiny maorisianina sady filoha am-perinasan’ny Filankevitry ny minisitra eo anivon’ny COI, ary ahitana an’i Jean Paul Adam, minisitry ny raharaham-bahinin’ny Repoblikan’i Seychelles, i Saïd Ibrahim Fahmi, minisitra kaomorianina misahana ny fifandraisana amin’ny any ivelany, i Calixte d’Offay, Sekretera jeneralin’ny COI nandimby toerana an’i Andréas Monique Esoavelomandroso, ary tompon’andraikitra ambony maorisianina roa hafa. Fifanandrifian-javatra sa fandaharam-potoana efa voarindra ny amin’ny hoe nahemotra herinandro ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny SADC, araka ny fiantsoana nataon’ny Troika mba handinihana lamina ka handraisana fanapahan-kevitra momba ny raharaha Madagasikara, sy ny fahatongavan’ity iraky ny COI ity, izay raha ny anton-diany dia hanelanelana amin’ny famahana ny krizy, noho izy ireo mihevitra ny hanatona ireo hery politika eto an-tanàna, izay hanomboka amin’i Andry Raoelina anio tolakandro ihany eny Iavoloha.
Maro no velom-panontaniana eo anatrehan’izao zava-mitranga izao ka milaza fa hisalovana ny asan’ny SADC ve ny COI ? Tsiahivina mantsy fa na samy mpikambana eo anivon’ny Firaisambe Afrikanina aza ireo firenena mandrafitra ireo Vondrom-pifanakalozana ara-barotra misy an’i Madagasikara toy ny COI, COMESA ary SADC dia “ady” mafy vao nekena fa ny SADC no hitarika ny fanelanelanana aty Madagasikara. Etsy ankilan’izay koa anefa dia tsara homarihina fa firenena samy matanjaka ara-toekarena eo anivon’ny SADC na ny Maorisianina, izay mitarika ny COI amin’izao fotoana, na ny Afrikanina Tatsimo, izay filoha lefitra eo anivon’ny Troika SADC. Azo ambara fa “mifanindry” ireo firenena roa ireo, na tsy mivaky aza izany. Eo no miditra ny Frantsay, izay efa hatrany am-boalohany vao niandoha ny krizy no nanaloka teny hatrany ary mitsabaka ankarihary mihitsy aza, toy ny tamin’ny aprily 2010 nisian’ny fihaonan’ny efa-tonta tatsy Pretoria Afrika Atsimo. Firenena manana ny fiandrianany i Maorisy, saingy dia hampiasa ny diplaomasiany indray eto ny Frantsay satria vondrona eo ambany elany ny COI, izay mandefa iraka eto ity manomboka anio ka hatramin’ny 10 aprily. Tsy tongatonga ho azy raha nanaovan’ny Fahefana avon’ny tetezamita serasera totoafo ny fiavian’ity delegasiona ity eto, izay tonga hatramin’ny filazana fa manohana izao fitondrana izao ny Maorisianina, taorian’ny taratasy nalefan’ny Dr Arvin Boolell, Minisitry ny raharaham-bahiny maorisianina ho an’ny filohan’ny FAT.
Mikasika io resaka io dia tsy niandry ela fa omaly 07 aprily ihany dia nandefa taratasy any amin’ny Praiministra maorisianina, Dr Navichandra Ramgoolam, ny filoha Marc Ravalomanana nampahatsiahy an’ity farany ireo fanapahan-kevitry ny SADC izay nandraisan’i Maorisy anjara, mikasika ny krizy eto Madagasikara, manameloka ny fanonganam-panjakana nataon’i Andry Rajoelina ka tsy ankatoavan’izao tontolo izao ity farany ho filohan’i Madagasikara. Fanapahan-kevitra izay nohamafisin’ny Troika nandritra ny fivoriany tao Livingstone Zambia ny 31 martsa teo, ary mbola niantsoany fivoriana tsy ara-potoan’ny SADC, kanefa izao tadiavin’ny Maorisiana hosavoritahina izao. Sa izay koa no tao ambadiky ny dia tampoka nataon’ny Dr Leonardo Simao ny alahady nialoha ny nanaovana rangopohy ilay sori-dalana narosony teny Ivato ny 09 martsa 2011. Ahiana hampikatso indray ny famahana ny krizy ity fihetsiky ny Maorisianina, ao ambadiky ny COI ity. Araka ny fantatra moa dia hivory maika handinika an’izany ny Ankolafy telo anio. Efa nivoaka tetsy amin’ny Magro anefa ny feo omaly fa anjaran’ny SADC no manao ny fanelanelanana fa tsy mila an’i Maorisy hitsabatsabaka amin’ny raharahan’i Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.