Nihazakazaka ny fielin’ity vaovao ity omaly, na efa tamin’ny sabotsy 12 febroary 2011 nandritra ny Asaramanitry ny Tiako I Madagasikara ao amin’ny Boriborintany faha-3 tao Ampandrana no re na tsy nivantana aza ny filazana fa ho avy Ramose.
Omaly anefa dia henika ity vaovao ity ny Internet sy ny Facebook ary ny sms. Ireo olona manodidina akaiky an’i Marc Ravalomanana rahateo dia samy manamafy io vaovao io. “Nifampiresaka an-tariby tamiko izy ny alatsinainy hariva ary nanamafy fa ho avy”, hoy i Fetison Rakoto Andrianirina, lehiben’ny delegasiona Ravalomanana teo aloha ary ankehitriny dia mitarika ny Komity Firaisankina amin’ireo iharan’ny tsindry hazo lena.
Nanamafy koa ny mpitondra tenin’ny ankolafy Ravalomanana, Guy Rivo Randrianarison, fa “ho avy izy”. Nisy rahateo moa ny fanambarana nivoaka omaly 15 febroary 2011, nataon’ny filoha Marc Ravalomanana, milaza fa “hiverina ary hitodi-doha aty an-tanindrazana aho amin’ity herinandro ity. Matokia ianareo fa hijoro sy hiray hina isika ho an’ny Malagasy tsy ankanavaka. Koa mitrakà ary mijoroa fa tsy havelantsika ho lavo ny tanindrazantsika”. Ny mpisolovava azy, Me Hanitra Razafimanantsoa, nanampy fa “efa milamina ny any (Afrika Atsimo) raha mikasika io fodiany io ary fiaramanidina manokana no hitondra azy”. Tsy toy ireo feo hatramin’izay nilaza fa hiverina an-tanindrazana ny Filoha Marc Ravalomanana ity indray mitoraka ity fa matotra raha ny fisehony. Manodidina an’io rahateo no votoatin-kabary tao amin’ny Magro Behoririka omaly sy ny fihaonana teny Ivandry teny. Ankoatra ireo dia fantatra fa mitsangana ny Komity manokana manomana ny fiverenana sy ny fitsenana azy ary totoafo ny fivoriana nanomboka ny faran’ny herinandro teo.
Mikoropaka ny FAT iray manontolo, eny fa hatramin’ny ao Ambohitsorohitra, raha vao nandre ity vaovao ity, omaly. Tsy namoaka hevitra mihitsy ny ministra iray misahana ny fandriampahalemana raha nanontaniana. Ny ministry ny raharaham-bahininy, ny Amiraly Rarison Ramaroson Hippolyte, no re tamin’ny haino aman-jery samihafa nilaza fa “aleo izy ho avy fa betsaka ny fanontaniana miandry valiny amin’Atoa Marc Ravalomanana”. Nampiany fa “tsy hipetra-potsiny ny fitondrana raha miteraka fanakorontanana izany”. Mifono zavatra maro ihany ny fanambarany. Re koa mantsy fa misy kolonely vazaha avy any La Réunion any tonga eto ary miketriketrika any ambadimbadika any. Inona avokoa no dikan’izany rehetra izany ? Misy fikotrehana famonoana ity filoha voafidim-bahoaka hody an-tanindrazana ity, sa hosamborina amin-kery koa izy ka haterina avy hatrany any am-ponja ? Izay ve no hampilamina ny raharaha eto ? Ventesin’ny mpitondra ankehitriny anefa, fa aleo ho raharahan’ny samy Malagasy ny fandaminana sy famahana ny krizy eto.
Koa tsy tonga amin’ny faniriany ve izy ireo raha tonga eto, hifanatri-tava mandray anjara amin’izany fifampidinihana izany Atoa Marc Ravalomanana hamaranana amin’izay ity raharaha ity. Noventesina ombieny ombieny koa ny fifamelana, hamitranana indray ny fihavanana, hatramin’ny nisian’ny dinika nifanaovan’ny Tiako I Madagasikara andaniny sy ny TVG miaraka amin’ny UDR ankilany, teny amin’ny Le Hintsy ny faramparan’ny taona 2010 ireny, koa tsy tonga amin’ny fotoana ve ny fampiharana izany ka ny Vahoaka Malagasy tsy vakivolo mihitsy no hirohotra hitsena an’i Dada eny Ivato amin’ilay andro hiverenany eto. Maninona koa moa raha miara-tonga izy sy i Deba, Amiraly Didier Ratsiraka. Vao mainka aza ho reharehan’i Madagasikara sy ny Vahoaka Malagasy raha tonga miarahaba sy mandray tanana azy ireo, miaraka amin’ny Pr Zafy Albert, eny am-pahatongavana i Andry Rajoelina, fa dia ho tanteraka ara-bakiteny ny fanombohan’ny fahatanterahan’ny fampihavanam-pirenena amin’izay. Araka ny fantatra dia hiara-hamaha ny krizy no anton-dian’ny filoha Ravalomanana hiverenany an-tanindrazana. Ho hita eo raha hanaiky tokoa ny hahatongavany eto ny FAT.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.