Politique

Fandaminana ny krizy Ho avy …


  • Alakamisy 24 Febroary 2011

Nanitsy ny fomba fijerin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ary misy akony eo amin’ny fizotry ny asa fanelanelanana amin’ny famahana ny krizy sahanin’ny iraky ny SADC ny zava-nitranga teny Ivato tamin’ny sabotsy 19 febroary 2011 teo iny.

Andro voatondro hiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana, tsiahivina ihany, saingy nataon’ny FAT tamin’ny fomba rehetra ny tsy nahatanteraka izany, na dia olona ana hetsiny maro aza no nirohotra teny an-toerana tamin’io andro io. Re mantsy izao avy amin’ireo masoivoho vahiny samihafa eto an-toerana fa miaiky izy ireo fa sady manana ny heriny no manana ny maha izy azy i Marc Ravalomanana, ary mbola Malagasy maro no mbola mankato azy, ka tsy azo tsinontsinoavina na ailika amin’ny fomba ankolaka ao anatin’ny fifampidinihana handaminana ity krizy ity. Vao mainka nanamafy izay lanjany izay ny dian’Atoa Marc Ravalomanana tany Maputo renivohitr’i Mozambika, ny talata 22 febroary teo, nihaonany mivantana tamin’ny filoha mozambikana teo aloha sady lehiben’ny ekipa mpanelanelana notendren’ny SADC amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara, Joaquim Chissano.

Fihaonan’ny mpirahalahy no tany, ary tao anatin’ny dinidinika nifampizaran’ny andaniny sy ny ankilany ny heviny avy momba ny fipetraky ny toe-draharaham-pirenena sy ny dingana misy amin’ny famahana ny krizy, dia fantatra nanolotra taratasy tamin’ny prezida Chissano Atoa Marc Ravalomanana. Taratasy mamintina ny fahitany sy ny ankolafy tarihiny ny zava-misy sy nandrosoany ny tolo-kevitra amin’ny handaminana izao krizy izao, izay antony nilazany fa hiverenana an-tanindrazana rahateo moa. Misongadina ao anatin’io ny fangatahan’ny filoha Ravalomanana ny hanaovana fihaonana an-tampony handraisan’ireo filohan’ny ankolafy politika efatra efa niara-nidinika hatramin’izay, anjara, dia ny Profesora Zafy Albert, ny amiraly Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana ary Andry Rajoelina, miampy izay firehana politika vaovao faha-5 na faha-6 eo, handaminana ity krizy ity.

Eto Antananarivo no hanaovana io fihaonana an-tampony io araka ilay taratasy natolotry ny filoha Ravalomanana an-tanana mivantana tamin’ny prezida Chissano. Ankinina amin’ny SADC omban’ny firaisambe iraisam-pirenena ny fandaminana sy ny fanatanterahana azy. Tafiditra anatin’izany ny fitaterana ireo filohana ankolafy isany avy any ivelany ho tonga eto, ny fampiantranoana sy ny fiantohana ny fiarovana azy ireo.

Nahazo ny dika mitovy io taratasy io ny Dr Leonardo Simao omaly, nandritra ny fihaonany tamin’ny delegasiona Ravalomanana nahitana an-dry Mamy Rakotoarivelo sy Fetison Rakoto Andrianirina mbamin-dry Manandafy Rakotonirina. Ny loharanom-baovao samihafa ihany koa dia mihevitra fa ny fampihaonana miaraka an-databatra boribory ireo mpanao politika fototr’izao krizy izao no hampiravona ity olana ity. Raha nivoaka rahateo ny resaka ny talata teo fa mety hihazo ny Nosy Maorisy ingahy Simao ato ho ato, dia tany amin’io mety ho fampihaoana ireo filohan’Ankolafy ireo no nalehan’ny sain’ny maro. Raha sarotra ny hanatanterahana azy eto dia mety ho atsy Maorisy izany no hatao.

Etsy andanin’izany moa ireo antoko na vondron’antoko teraka taorian’ny nisintahan’i Andry Rajoelina tsy hitantana ny Ankolafy Rajoelina dia manao ambetin-teny ny tokony hanaovana sonia avy hatrany ilay sori-dalana noroson’ny Dr Simao ary nahitsin’i Joaquim Chissano. I Andry Rajoelina ihany koa tetsy andanin’izay dia milaza ny hamory mpanao politika indray amin’ny herinandro ho avy io. Mandra-piandry izay dia mitety faritra izy, te handrefy hoe hatraiza ny mbola fitiavan’ny olona azy.

 
Jean D.
 

Sary : Fihaonan’i Joaquim Chissano sy Marc Ravalomanana tao Maputo ny talata 22 febroary 2011

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT