Politique

Fandaminana ny krizy Hiala nenina amin-dRajoelina ireo Olobe


  • Zoma 08 Aprily 2011

Rehefa tsy nahomby ny fanelanelanan’ny Raiamandreny mijoro, miditra indray ny Taranak’andriana, Ampanjaka, Sojabe, Hazomanga, Tangalamena ary Loholona.

Mbola ao anaty krizy tanteraka moa ny firenena, koa dia nilaza fa hijoro ary hiala nenina handresy lahatra ireo ankolafy politika samihafa ireto oloben’ny fiaraha-monina ireto hampitsahana izao krizy lalim-paka mahazo ny firenena sy mampahory ny Malagasy izao. Nihaona sy niresaka tamin’ny ankolafy Ratsiraka izy ireo omaly maraina, ary dia nitafa tamin’ny ankolafy Ravalomanana indray kosa, tetsy Bel’Air, omaly talakandro. Ho fampiharana ny soatoavina Malagasy sy ny fahendrena, fihavanana ary ny fiandrianam-pirenena no hijoroanay, hoy i Solofoniaina Lolot, mpitondra tenin’izy ireo.

Amin’ny maha raiamandrenin’ny fiaraha-monina anay no mahatonga anay hanelanelana ny fifanandrinana ara-politika misy eto ary mahatsapa fa manana adidy amin’ny firenena izahay, hoy izy ireo. Hiazo an’Ambohitsirohitra izy ireo anio maraina hiala nenina amin’i Andry Rajoelina handresy azy tsy hiziriziry. Ny tolak’andro kosa dia eny amin’ny Profesora Zafy Albert eny Ivandry ny delegasiona ary amin’ny herinandro ambony dia hihaona amin’ny hery politika hafa izy ireo.

 
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT