Politique

Fandaminana ny krizy Hamory mpanao politika i Andry Rajoelina


  • Alakamisy 24 Febroary 2011

Hiverina indray ny fampiantsoana ny vondrona sy mpanao politika hataon’ny filohan’ny FAT Andry Nirina Rajoelina handinihana indray ny famahana ny krizy.

Ny talata na ny alarobia ho avy io no hanaovana izany, araka ny nambarany raha nitsena ilay vary mora tao Toamasina izy omaly. Nambarany fa «vonona ny fitondra tetezamita hitady ny vahaolana amin’ny krizy”, ka mandritra ny dinika hifanaovana no hitadiavana sy hifanekena amin’izay politika mahomby hitantanana miaraka ny tetezamita. Ny tanjona dia ny hitodihana amin’ny fifidianana marina amin’izay, hametraka ny Repoblika faha-04. Nambarany koa anefa fa ireo izay tsy vonona hiditra ao anatin’ny tetezamita hiarahana, dia mijanona ho mpanohitra izy ireo, fa tsy azo hitarina ny krizy fa mijaly ny vahoaka.

Nisy ny antso avo nataon’i Andry Rajoelina ho an’ireo mpanao politika Malagasy rehetra, amin’ny tokony hanaovana sonia amin’izay ilay sori-dalana naroson’ny Dr Simao. “Tsy tokony hisy intsony ny ady varotra atao ao anatiny, satria ny tanjona dia ny hisian’ny fiaraha-mitantana ka hidirana amin’ny fifidianana amin’izay”, hoy izy. Ankoatra izay, dia nolazain’ny filohan’ny FAT fa tsy hiandry ny tsy afaka ny fitondrany, ary “aleo hiasa sy hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana sy ny fanovana ny firenena izay te hiasa sy te hiara-kiasa”, araka ny namaranany ny teniny hatrany mikasika ny zava-misy ara-politika ankehitriny eto Madagasikara.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT