Ny sabotsy 21 martsa 2009, andro voalohany nanamasinan’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana ny fahefana teo am-pelatanan’i Andry Rajoelina, mampisy ny Fahefana avon’ny tetezamita, dia efa nisy ny hetsi-bahoaka teo amin’ny kianjan’Ambohijatovo nanohitra izany.
Tsy fahita eran’izao tontolo izao ny endri-javatra toy izany. Tsy io ihany fa tao anatin’ny iray volana mahery talohan’io dia nisy hatrany ny hetsika teny Mahamasina, in-droa miantoana, teny Iavoloha, manohitra ny fandrombaham-pahefana eny an-dalambe, ny herisetra, ny asa fampihorohoroana. Niampy ny hiverenana amin’ny ara-dalàna, indrindra ny famerenana ny filoha Marc Ravalomanana amin’ny toerany izany. Ny toerana nisian’ny hetsika no niova tao anatin’izay roa taona izay : Magro Ankorondrano, Kianja monisipaly Alarobia, nandalo teny amin’ny zaridainan’Anosy sy Mahamasina, Malacam … fa tsy niova kosa ireo fitakiana ireo, ary vao mainka niampy aza, dia ny fitakiana ny famoahana ireo gadra politika sivily na miaramila sy ny fampodiana an-tanindrazana, tsy misy fepetra, izay rehetra sesitany.
Tao anatin’izay niara-dia ary namondrona hery ny ankolafy telo, Zafy, Ratsiraka ary Ravalomanana. Ary tsy teto an-drenivohitra ihany fa niitatra tany amin’ny Faritra maro manerana ny Nosy io hetsi-panoherana io na teo aza ny ramatahora sy ny hery famoretana samihafa. Ny fahitana vahoaka ana hetsiny tonga teny Ivato tamin’ny sabotsy 19 febroary, nivonona hitsena ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana, koa dia manaporofo fa tsy mila mpanongam-panjakana hitondra firenena izy ireo. Koa fahadisoana tanteraka ny tetika sy ny paipaika hanilihana ny ankolafy Ravalomanana sy ankolafy Zafy Albert ary ny ankolafy Ratsiraka ao anatin’ny dingana famahana ny krizy, andaniny amin’ity fitaomana mpanao politika hanao sonia sori-dalana hivoahana amin’ny krizy ity nefa tsy eken’ny rehetra akory ary ankilany ny hoe famoriana indray ireo mpanao politika kasain’i Andry Rajoelina hatao amin’ny herinandro ambony io. Ny Dr Leonardo Simao, iraky ny mpanelanelana vahiny rahateo, ihany koa na nanamarika mazava aza omaly, fa tsy misy idiran’ny asan’izy ireo ny amin’izany, dia mifono zavatra hafahafa ny fanamarihana nataony teny Mahazoarivo raha avy nihaona tamin’i Camille Vital, praiministry ny FAT, izy fa tsy mitana ny teny nataony Atoa Marc Ravalomanana, ary tsy hanao sonia ilay sori-dalana narosony ny ankolafy isany Zafy Albert sy Didier Ratsiraka araka ny filazany hatrany.
Inona no tian’ny Dr Simao hahatongavana, hisafidy izy ka hampanao sonia ireo antoko miara-dalana amin’ny FAT, sa hijoro hanao ny asan’ny mpanelanelana araka izay nanirahan’ny SADC azy ? Raha itsy voalohany no mitranga dia manamafy ny ahiahin’ny maro momba azy, raha ity faharoa kosa dia mikaroka hevitra izy sy ny mpaniraka azy hanao izay hampifanantonana ireo hery mifanandrina eto amin’ny firenena, fa tsy entin-kamehana ka hanapatapaka amin’ny tsy manandrify azy akory. Ka aoka hazava !
Sary : Hatreny Ambohijatovo no efa nahery vaika ny fitakiana ny hamerenana ny ara-dalàna eto Madagasikara (Tahirin-tsary)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.