Politique

Fandaminana krizy Mampitovy tadin-dokanga


  • Alarobia 23 Febroary 2011

Tao Maputo renivohitr’i Mozambika Atoa Marc Ravalomanana omaly talata 22 febroary.

Nifampiresaka manokana tamin’i Joaquim Chissano, filoha mozambikana teo aloha sady lehiben’ny mpanelanelana vahiny, nofinidin’ny SADC, ny tenany mikasika indrindra ny handaminana ny krizy efa mitarozaka 21 volana eto Madagasikara. Nizotra tamim-pirahalahiana ny dinika, ary nazava koa ny resaka teo amin’ny roa tonta. Nanamafy i Joaquim Chissano fa tolo-kevitra ihany mba ho fototra iaingana amin’ny adihevitra ilay sori-dalana nasiam-panitsiana narosony, fa mandray ny tolo-kevitra avy amin’ny rehetra izy hanatsarana azy iny, mba hahafahana mamarana ny krizy. Nitaona ny ankolafin-kery politika rehetra koa ny tenany handray anjara amin’izany. Nanamafy izay efa nambarany nialoha ny nikasany hiverina an-tanindrazana kosa ny filoha Ravalomanana, fa handamina ny krizy no ahatongavany ary ho mpandray anjara amin’izany izy fa tsy ho mpitazana.

Notsiahiviny fa manana tolo-kevitra handaminana izao krizy izao izy sy ny ankolafy tarihiny ary nifampizarany tamin’i Chissano izany. Raikitra ary fa dia haroso amin’ny iraky ny mpanelanelana ato anatin’ny 48 ora io tolo-kevitra avy amin’ny ankolafy Ravalomanana io. Voaresaka ary nohamafisina rahateo ny mikasika an’izay, nandritra ny fihaonana omaly teo amin’ny delegasiona avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, nahitana an’i Fetison Rakoto Andrianirina sy Mamy Rakotoarivelo, sy ny iraky ny SADC tarihin’ny Dr Leonardo Simao izay efa eto an-toerana hatramin’ny alatsinainy tolakandro teo. Fihaonana savaranonando ihany izy ity, tsy nisy nipika. Azo antoka anefa fa fampitoviana tadin-dokanga amin’ny fanohizana ny dinika izany.

Tonga saina ihany mantsy ny iraisam-pirenena teo anatrehan’ny zavatra nitranga hatramin’ny janoary 2011, nisian’ireo fitoriana nisesy nataon’Atoa Marc Ravalomanana narahin’ny hetsika teny Ivato tamin’ny sabotsy 19 febroary teo iny, niandrasan’ny vahoaka ana hetsiny ny fiverenany an-tanindrazana. Nosakanan’ny FAT tamin’ny fomba rehetra moa ny hahatanterahan’izany. Na ny fihaonana tany Maputo anefa na ny teto Madagasikara dia maneho mazava ny finiavana sy fahavononan’ny ankolafy Ravalomanana hikatsaka vahaolana hivoahana amin’izao krizy izao. Nampisinda ny ahiahin’ny iraisam-pirenena koa io, izay efa nanahy ihany sao hikatso indray ny raharaha. Teto an-toerana dia efa nihaona tamin’ny Dr Simao koa, ingahy Ratsirahonana Norbert Lala, mpanolotsaina manokana an’i Andry Rajoelina sady mikambana ao amin’ny filankevitra ambonin’ny tetezamita rahateo. Hitohy amin’ity anio ity ny fandraisan’ity iraky ny SADC ity ireo ankolafy mpanao politika hafa.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT