Politique

Fanatanterahana ny fifidianana Nandroso tolo-kevitra ny 3PE


  • Talata 08 Febroary 2011

Tonga nihaona nivantana tamin’ny mpanolotsaina politikan’ny Firenena Mikambana, Atoa Peter Mecalf, teny Andraharo omaly ny mpikambana vitsivitsy avy amin’ny 3PE na ny «Plate-forme des Partis Politiques pour les Elections» na adika amin’ny teny malagasy malalaka hoe : firohotan’ny antoko politika mitaky ny hisian’ny fifidianana.

Araka ny fanazavana nomen-dRtoa Saraha Georget Rabeharisoa mpitondra tenin’izy ireo ny mpanao gazety teny an-toerana, dia nanome soso-kevitra hanatsarana ny fifidianana mba tsy hisian’ny krizy hafa indray ao anatin’izany fifidianana izany. Avy amin’ny asa nataon’izy ireo nandritra ny roa herinandro katroka no nahazoana izany soso-kevitra izany. Nambaran-dry zareo 3PE ireto fa ilaina ny fanatanterahana fifidianana eto amintsika mialoha ny faran’ity taona diavina ity mba hanajana ny demokrasia. Ilaina koa ny fametrahana ny fototra amin’izany fifidianana izany mba tsy hitanila ilay izy. Miainga amin’ny fikarakarana ny lisi-pifidianana izany ka hijerena ny rafitry ny CENI ihany koa.

Somary sanganehana ihany ny 3PE tamin’ny famaliana ny fanontaniana navantan’ny mpanao gazety ny amin’ny tsy fitenenan’ny mpanao politika toa an-dry zareo mihitsy ny fifidianana eny anivon’ny Fokontany rehetra eto Madagasikara izay fototry ny fikarakarana ny lisi-pifidianana. «Misy ny tsy marisika ny hanao azy io fa aleo dia tsorina», hoy Rtoa Saraha Georget Rabeharisoa, «misy koa anefa ireo te hanatanteraka avy hatrany ny fifidianana avy any ambony no midina hatrany amin’ny Fokontany». Ho an-dry zareo dia tsy olana na ny fifidianana kaominaly na ny fifidianana parlemantera no mandeha mialoha. Nilaza ny firohotan’antoko 3PE fa mbola hanatona rafitra hafa ankoatra ny Firenena Mikambana ry zareo hanehoany ity soso-keviny miady varotra amin’ny hisian’ny fifidianana eto amintsika ity.

 
sary

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT