Politique

Fanapahan-kevitry ny SADC Ny fahitan’ny Hetsika Vonjy Aina azy


  • Talata 14 Jona 2011

Zava-dehibe iray anisan’ny nandrasan’ny Malagasy maro ny fanapahan-kevitra noraisin’ireo Filoham-pirenena eo anivon’ny SADC nivory tatsy Sandton, Afrika Atsimo, ny 11 sy 12 jona 2011 teo.

Fampitam-baovao misy andininy 33 no nivoaka tao ka ny andininy faha-5 hatramin’ny andininy faha-20 amin’io no iresahany momba an’i Madagasikara, toy ny famelana ireo sesitany politika rehetra, sy ny filoha Marc Ravalomanana hiverina an-tanindrazana tsy misy fepetra. Manana ny fomba fijeriny ilay fanapahan-kevitra ny Hetsika Vonjy Aina, ka ilazany fa tsy tokony hamoifo na mihevitra ho tapi-dalan-kaleha ny Malagasy ka tsy ho tanteraka ny fanavotana ny firenena fa mbola misy hirika mitsilopy rehefa mifaka amin’ny fikatsahana ny fahendrena sy ny  faranitan-tsaina. Fomba fijery ifampizarany amin’ny Vondron’olom-pirenena Tsotra, Hmf, V2kmf sy sy Amm. Mankasitraka ny SADC izy ireo fa tsy rava ny fampidinihana amin’ny fiatrehana ny olana na dia natokana ho an’ireo mpanao politika nasaina ihany aza izany. Nanipika mazava anefa ny Hetsika Vonjy Aina fa tsy adidin’ireto farany ihany ny miantoka ny hoavin’ny firenena fa adidin’ny rehetra.

Tamin’ny teny anglisy no nivoahan’ny fampitam-baovao voalohany, ary nisy dikanteny tamin’ny teny frantsay. Raha nampitahaina ny dikan’ny teny frantsay sy teny anglisy, hoy ny HVA dia tsy ampihambahambana no ilazana fa ny matoanteny dia amin’ny teny anglisy izay mahafehy tanteraka ny hevitr’ireo Filoham-pirenena ary mba ialana amin’ny fandikana vilana dia ny famakafakana ny hevi-teny ara-bakiteny no hany fomba mahomby, hoy ny HVA.

Amin’izy ireo dia tanteraka ny paik’adin’ny fifampidinihana (Andininy faha-10). Tsy nolazain’ny Andininy faha-8 hoe inona no lohahevitra nodinihana tany Gaborone, voasoritra ao amin’ny fandaharam-potoana. Noho izany, ilain’ny tsirairay ny miverina mandinika ny lohahevitra noraisin’ny SADC tamin’ireo fotoana sy fivoriana samihafa (hatramin’ny Martsa 2009 sy ny Troïka 2011). Satria ireo fanapahan-kevitra samihafa ireo no vato fehizoro nironan’ny safidy. Andininy faha-9 : «also noted»  na hoe Tsikaritra ihany koa, «attended» na hoe : «natrehana» fa tsy midika velively hoe nandray fanapahan-kevitra. Andininy faha-13-14 : «the roadmap», «already», «endorsed», «to bring», «after effecting necessary amendment». «the roadmap» izay izany vao miteny ilay tondrozotra na torolalana ; «endorsed», tsy maintsy hisy torolalana hivoaka satria ilay torolalana izay hoekena aorian’ny «effecting», izany hoe aorian’ny fanitsiana izay tsy maintsy ampiharina, ary ireo fanitsiana ireo dia tsy fanitsiana alasafay, tsy fanitsiana bitika na maivana fa fanitsiana goavana tsy azo ihodivirana «necessary».

Hamafisin’ny Andininy faha-15 izay milaza fa ny mpitarika ny ankolafy Ravalomanana, Ratsiraka ary Zafy dia tsy maintsy manaiky ilay tondrozotra raha vantany vao vita ny fanitsiana goavana tsy azo ihodivirana. Andininy faha-16 : «urged» na manery ny Fahefana avon’ny tetezamita (FAT) hanaiky ny hamelana ireo Malagasy mbola an-tsesitany mody an-tanindrazana. Manantitrantitra ny SADC amin’ity fa ny famelana azy mody dia tsy arahana fepetra na amoronana sampona «inconditionnaly», anisan’izany manokana Andriamatoa Ravalomanana Marc «including  Mr Marc Ravalomanana». Andininy faha-17 : terena ihany koa ny FAT hanafaingana sy hampihatra ireo fepetra  miaro sy mitandro ireo fahafahana politika, ho an’ny Malagasy tsirairay, izay nahantona na natao an-kilabao hatramin’izay. Andininy faha-18 : «commitment to dialogue» niarahaba  ny mpanao politika Malagasy tany Gaborone  ny SADC tamin’ny lokaloka nataony fa hiaraka hidinika sy hahita  alaolana amin’ity raharaha ity. Masa-bary maito kitoza ny fanapahan-kevitry ny SADC ka misikina amin’izay ry Malagasy !

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT