Tena mbola tandra vadin-koditra amin’ny mpanao politika Malagasy ny famadihana palitao ary hita ho mbola sarotra ho azy ireo ny hiala amin’izany fomba mandika tanteraka ny etika politika izany.
Ambara sy tenenina matetika io hoe etika na soatoavina io fa havitsiana no tena mahafantatra tsara ny dikany sy mampihatra azy. Raha tsorina dia midika ho fanatanterahana zavatra iray amin’ny saina sy ny fo ary ny vatana iray manontolo izy io, izany hoe fifantohana tanteraka amin-kitsim-po ary tsy misy kajikajy hafa. Fanajana ny tena, ny foto-kevitra ijoroan’ny tena ary fanajana ihany koa ny hafa. Raha eo amin’ny sehatra politika izany, araka io famaritana tsotsotra io dia tsy tokony hisy mihitsy ny hoe olona iray na mpitarika io, na mpikambana tsotra avy ao amin’ny antoko A ka rehefa tsy nahazo tombony na tsy nahazo seza tao dia hifindra any amin’ny antoko B, ka raha tsy mbola nisongadina dia hiova antoko D indray.
Ny mpanao politika na mpikambana amina antoko politika any amin’ny firenena mandroso rehetra dia manaja sy mampihatra io atao hoe etika politika io, ary nahitan’izy ireo soa izany satria nilamina fa tsy misavorovoro lava isaky ny fito taona ny fanjakana any amin’izy ireo na dia henjankenjana ihany aza ny fifanandrinana eo amin’ny antoko politika. Ny eto amintsika kosa dia efa iaraha-mahita isan’andro fa tena mbola lavitry ny afo ny kitay, raha io resaka etika politika io. Kabary no betsaka fa ny asa tsy misy. Mifaninana amin’ny famadihana palitao ny mpanao politika, ka matetika mifanipaka amin’ny ambarany ny ataony, hafa ny lazaina amin’ny vahoaka fa hafa mihitsy no atao any ambadimbadika any.
Tsikaritra fa isaky ny misy fihaonambe na dinika politika karakarain’ny fitondrana tetezamita dia tsy maintsy misy mpanao politika iray na roa, na telo avy amin’ny Ankolafy telo manatrika izany, ary sahy milaza fa aoka izay, hono, ny tolona eny an-kianja fa aleo miatrika fifidianana amin’izay. Rariny loatra ny an’ireo be vazivazy hoe raha misy dinika politika isaky ny tapa-bolana arahana fizarana seza, karakarain’ny fitondrana tetezamita angamba, dia mety tsy hisy mpitarika intsony ny mpanohitra amin’ny faran’ny taona satria hifindra lasy tsilelikely. Matetika dia noho io famadihana palitao io no mampitarazoka ny famahana ny krizy satria tsy fantatra intsony ny tena marina na nivadika marina ireny na tonga hitsikilo.
Mitoetra foana, arak’izany, ny ahiahy tsy hihavanana koa tsy mahagaga raha vitsy amin’ny mpanao politika no tena vonona amin’ny fampihavanam-pirenena. Ho an’ny mpandinika ny tontolo politika iray dia tsotra ny fahitany ny toe-draharaha eto amin’ny firenena : “Mbola mila fotoana maharitraritra ihany vao hiova ny fomba ratsin’ny mpanao politika Malagasy. Amin’izay fotoana izay vao azo antoka ny hisian’ny tena fitoniana. Raha mbola fanaovana politika gaboraraka tahaka izao dia hiverimberina eto foana ny krizy ary tsy hiarina mihitsy ity firenena ity fa hanaovan’ny mpanelanelana vahiny fanandramana izao karazana sori-dalana rehetra izao fotsiny.”
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.