Politique

Fananganana tetezamita tena izy Raikitra ny fanangonan-tsonia


  • Alatsinainy 18 Aprily 2011

Nifamotoana teny amin’ny «Villa Elisabeth» Ivandry, ny sabotsy 16 aprily teo, ireo fikambanana sy antoko politika resy lahatra ka momba an’ilay fanambarana nataon’ny ankolafy telo.

Nampahafantarina ireo masoivohom-pirenena vahiny samihafa eto sy tamin’ireo filoham-pirenena eo anivon’ny SADC ary ny Firaisambe afrikanina, ny vondrona eoropeanina ary ny firenena Mikambana moa izy io. Ny hanatanterahana fihaonana an-tampony, eto Antananarivo no antony, hiarahan’ireo filohan’ny ankolafy politika efatra nifanandrina sy ireo heverina fa vondron’antoko lehibe eto amin’ny firenena, hikatsahana vahaolana iraisana hamaranana ny krizy, tsy hiverimberenan’izany intsony, hirosoana amin’ny hananganana tetezamita tena izy sy fanatanterahana fifidianana madio, malalaka, demokratika, eken’ny rehetra.

Nialoha ny firosoana tamin’ny fanaovan-tsonia fanohanana, dia ny Dr Manoro Régis no nilaza ny antony nahatongavana amin’izao dingana vaovao izao. Izany dia nianga tamin’ny fahatsapana fa mitarazoka loatra ny krizy, izay mitarika fahasahiranana amin’ny sehatra maro, manao be marenina ny FAT mitsipaka ny fananganana ny tetezamita tena izy, ary ny fahatsapana fa ny sori-dalana ambara fa vita rangopohy hitondrana ny tetezamita dia an’ny FAT ka sady tsy hamaha ny krizy no tsy hitondra fitoniana ary tsy hitarika amin’ny fampihavanam-pirenena tena izy. Anisan’ireo nisantatra ny fanaovan-tsonia ny FRDL, ny FIFAR 192. Fanombohana ihany ny tamin’ny sabotsy, fa misokatra ny fanaovan-tsonia mandra-pijoron’ny tetezamita tena izy, iaraha-mitantana.

 

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT