Politique

Fananganana ny fitsarana ambony Matahotra mafy i Rajaonarimampianina


  • Zoma 12 Mey 2017

12 volana taorian’ny nandraisan’ny filohan’ny Repoblika fahefana no tokony ho nananganana ny Fitsarana ambony na ny fitsarana ambony na HCJ (Haute Cour de Justice).

  Io no fahefana mahefa tokony hitsara ny filoham-pirenena, praiminisitra, minisitra sy ireo lehiben’ny andrim-panjakana. Efa voafaritry ny lalàmpanorenana ny tokony hananganana azy io fa tsy mbola mipetraka mandrak’ankehitriny. Ny filoham-pirenena mihitsy no tsy taitra sy tsy te hanangana azy io, raha dinihina amin’ny fanehoan-keviny teny amin’ny CCI Ivato omaly. Matoa tsy mipetraka izy io dia misy fepetra tsy feno fa tsy hoe finiavana tsy hanangana azy, ary mbola eo am-pandaminana. Misy ihany koa ny antanantohatra maro samihafa amin'ny fametrahana azy, hoy i Hery Rajaonarimampianina. Ny mahavoa antsika dia rehefa tiantsika hapetraka ilay izy, dia milaza isika hoe hapetraka na dia tsy feno aza ary rehefa tsy tiantsika hapetraka dia hafa indray no handraisana azy hoe misy mahamaika indray ao. Ny zava-misy sy ny lojika anefa dia matahotra mafy ny toerany i Hery Rajaonarimampianina noho ny fanitsakitsahana lalàmpanorenana sy ny afera maizina maro mahavoatonona ny anarany, ka toa mitady izay fomba tsy hahatafatsanganan’io rafi-pitsarana io mandra-pialany eo amin’ny toerana. Tsy atao mahagaga raha mahita hevitra hialana bala foana ny filoha rehefa misy ny famohazana ny resaka fananganana azy io. Ny HCJ no afaka hanamarina sy hanenjika ny filoham-pirenena ary afaka hankato ny fanenjehana azy, toy ny resaka fanonganan’ny antenimiera ny filoha na ny “motion de dechéance”. Raha tsiahivina, ny volana mey 2015 i Hery Rajaonarimampianina no naongan’ny depiote, ary efa tokony ho niongana mihitsy satria ny 221 tamin’ireo mpikamban’ny antenimiera izay miisa 251 no nankato ny fampiatoana sy fanonganana azy. Toy ny angady tsy nahatapak’ahitra anefa ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, ary iaraha-mahita ny fironan-keviny, izay nampanao ilay fifanarahan’andraikitra na “pacte des responsabilités” teo amin’ny filoha sy ireo depiote, izay tsy hita ny niafarany fa nentina namonoana afo fotsiny.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

Hijery ny tohiny
FTT