Politique

Fananganana governemanta Tsy mbola any ny resaka ho an’ny Ankolafy Ratsiraka Toliara


  • Alakamisy 24 Martsa 2011

Manao ranolava ny fanambarana sy fanehoan-kevitra amin’izao ankatoky ny fananganana governemanta izao.

Tsy avy eto an-drenivohitra ihany fa na avy any amin’ny Faritra ihany koa aza. Anisan’izany ny ankolafy Ratsiraka ao Toliara, tarihin’i Zafiraherimanjato José Andrianoelison Stoné, izay milaza tamin’ny fanambarana nataony ny 22 martsa teo fa “mitsipaka sady tsy mankato, ny fanaovana rangopohy ilay sori-dalana teny Ivato” ny alarobia 09 martsa 2011. Hentitra koa izy ireo nilaza fa tsy miditra amin’ny governemanta izay hajoron’i Andry Nirina Rajoelina ny Arema. “Manala tena ary tsy miaraka amin’ny Amiraly Didier Ratsiraka intsony, izay miditra ao”.

Manamafy ilay fanambarana fa tsy misy afaka miteny amin’ny anaran’ny Arema, na koa misolotena ny amiraly Didier Ratsiraka afa tsy ny “Comité Directeur National” voafidy tamin’ny kongresy Arema ny taona 1997 ihany sy ny “Collège National” tarihin’ny Pr Ange Andrianarisoa. Tetsy ankilan’izany dia mankahery ity farany sy ny “Comité Directeur” rehetra ny ankolafy Ratsiraka Toliara amin’ny fikaroham-bahaolana ahatongavan’ny Raiamandreny Amiraly Didier Ratsiraka an-tanindrazana.

Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT