Politique

Fananganana Governemanta Namita-tena ny FAT, nivaona tamin'ilay sori-dalana


  • Alatsinainy 28 Martsa 2011

Novonjivonjena ny fananganana governemanta sy ny fanendrena izay ho mpikambana ao fa tsy nahandry ny alakamisy 31 martsa, handraisan’ny Troïka SADC fanapahan-kevitra na hankato ilay sori-dalana vita rangopohy na tsia, i Andry Rajoelina sy Camille Vital.

32 ny mpikambana ao, ahitana minisi-panjakana roa, ministra 28 ary sekreteram-panjana iray. Nivaona tanteraka amin’izay voarakitr’ilay sori-dalana natao rangopohy teny Ivato ny alarobai 09 martsa ny fananganana azy. Mazava ny voalazan’ny andininy faha-3 ao amin’ilay sori-dalana fa Andry Rajoelina no filohan’ny tetezamita. Ary amin’izay izy dia misahana ny andraikitry ny filoham-pirenena. Raha jerena anefa ilay didim-panjakana 2011-140 ny 26 martsa manangana ny governemanta io dia Andry Rajoelina, filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita, misahana ny asan’ny filoham-panjakana no manendry ireo mpikambana ao amin’ny governemanta io. Ity farany no neken’izy 32 notendrena ireo. Miharihary eto fa sady tsy mbola anaty tetezamita isika izao no tsy miditra Repoblika fahefatra. Efa lany daty tamin’ny 17 martsa koa anefa ny tetezamita naharitra 24 volana voalazan’ilay didy hitsivolana tamin’ny 2009-002 tamin’ny 18 martsa 2009. Fanendrena tsy hita fototra fa anaty rafitra babangoana ity natao amboletra ity, ka tsy mahagaga raha resa-pianakaviana no niafarany.

Naverina tamin’ny toerany ny ministra teo aloha miisa valo. Dimy amin’ireo 32 no teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey. Efatra amin’ireo no ao anatin’ilay lisitr’izy 109 voasazin’ny Vondrona Afrikana, noho izy ireo sakana tamin’ny ezaka famahana ny krizy teto, dia i Hajo Andrianainarivelo (Fanapariaham-pahefana sy fanajariana ny tany), Razanamahasoa Christine (Fitsarana), Nadine Ramaroson (Mponina sy raharaha sosialy), Mamy Ratovomalala (Harena ankibon’ny tany) ary Rahajasoa Harry Laurent na Rolly Mercia (Serasera) izay ministra vaovao. Nitombo iray ny vehivavy ministra ka enina izy ireo ankehitriny, efatra ny vaovao dia Razafitombo Alibena Elisa, kolontsaina sy vakoka, Yvette Sylla (raharaham-bahiny), Raharisoa Johasy Eléonore (Tanora sy alavoly) ary Razafimandimby Rinarisoa Irène Eva (Varotra). Ahitana jeneraly efatra miaraka amin’ny praiministra ao anatin’ity governemanta ity dia Raveloarison Herilanto (Tontolo iainana sy ny ala), Rakotoarimasy André Lucien (Fiarovana), Rajaonarison Pascal Jacques (Fahasalam-bahoaka) ary Randrianazary (Zandarimaria). Nahazo sezana ministra, izay efa nirian’izy ireo fatratra, ny enina amin’ireo mpikambana nisintaka tao amin’ny antoko Tiako I Madagasikara sy ny Ankolafy Ravalomanana. Rakotoarison Yves Aimé (minisi-panjakana misahana ny fifandraisana amin’ireo andrimpanjakana), Ngolo Gilbert (fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa), Dr Raharisaina Hery (jono sy harena an-dranomasina), Riana Andriamandavy VII (fizahantany sy asa tanana), Rakotovao Vyvato (Fambolena), ary Bary Rafatrolaza (Fiompiana). Misy koa ireo ministra tamin’ny fitondrana tany aloha naverina indray, Pierrot Rajaonarivelo (Minisi-panjakana misahana ny toekarena sy indostria), Jean Jacques Rabenirina (Fanabeazam-pirenena), Ndremanjary Jean André (Fanatanjahantena), Rabesa Zafera Antoine (Fampianarana ambony), Henri Rasamoelina (Asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy), Reboza Julien (rano), ary i Ny Hasina Andriamanjato (Fifandraisan-davitra, paositra ary teknôlôkjia maoderina) izay nivoaka niditra satria ministra nametra-pialana. Ireo lehilahy sambany vao notendrena ho ministra kosa Ranaivoson Dieudonné (Filaminana anatiny), Ramanantsoa Benjamina Ramarcel (Fitaterana), Rakotoarisoa Florent (Atitany), Elysé Ratsiraka (Angovo), Razafimbelo Alain Mananjary (Asa vaventy sy famantarana ny toetr’andro).

Maro amin’ireo vao notendrena ireo no mpihavana akaiky. Anisan’izany i Camille Vital sy Razafitombo Alibena Elisa, samy avy any St Augustin atsimon’i Toliara. Toy izany koa i Yves Aimé Rakotoarison sy Florent Rakotoarisoa, izay mpianaka. Mifandrohy ara-pihavanana koa i Ny Hasina Andriamanjato sy Hajo Andrianainarivelo, mba tsy hilazana fa governemantam-pianakaviana ity mitsangana ity. Mety hamaly ny hetahetam-bahoaka sa ny hetahetan’izy mpikambana ao izy io.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT