Politique

Fanambaran'ny Tafika Tsy niseho sehatra ireo ministra


  • Alakamisy 17 Febroary 2011


Niala tsy nety nanao fanambarana ireo ministra misahana ny filaminana eo anivon'ny FAT omaly tao amin'ny Toby Ratsimandrava. Araka ny hita teny an-toerana dia efa tao amin'ity Toby ity avokoa ireo ministra ireo toy ny avy amin'ny Foloalindahy, ny Filaminana anatiny ary ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandary. Nisy, angamba, ny tsy fitovian-kevitra ka nanapa-kevitra izy ireo fa tsy hanao fanambarana fa omena ireo lefitra manao izany. Na ny eo anivon'ny zandary aza dia ny lefitra faharoa no nanao ilay fanambarana.

Tsy mahagaga rahateo izany satria raha vao misy ny tranga mahamay eto amin'ny firenena tahaka ireny teny amin'ny FIGN ireny dia tsy hita ny jeneraly Razafindrakoto Bruno. Hatry ny omaly ireto ministra ireto no efa tsy nety naneho hevitra an-gazety fa nisafidy ny hangina. Asa na noho ny tahotra na tsia fa toa nahavariana ihany ny zava-nitranga omaly teny amin'ny Toby Ratsimandrava. Nionona tamin'ny filazana fa izay zavatra mety hitarika korontana dia sakanana ireo mpitandro ny filaminana teny Andrefan'Ambohijanahary omaly. Tsy nisy fitenenana kosa anefa ny amin'ny hoe hanakanana ny fahatongavan'ny filoha Ravalomanana.

Rakoto Maxime
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT