Politique

Fanambaran’ny Pr Zafy Ao andamosinareo izahay aty …


  • Alatsinainy 07 Martsa 2011

Manao ranolava ny fanambarana fanohanana ny fanambarana nataon’ny Profesora Zafy Albert tao amin’ny “Villa Elisabeth” ny 02 martsa teo.

“Manohana zato isan-jato” ny Ankolafy telo avy ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana. “Manainga ny mpitandro ny filaminana mba hiaro ny vahoaka sy ny fananany eo amin’ny fanatanterahana ny adidiny. Manainga ny fianakaviambe riaisam-pirenena mba hamerina tsy misy fepetra ireo filoha roa dia Atoa Didier Ratsiraka sy Atoa Marc Ravalomanana ho tonga eto Madagasikara”, ihany koa izy ireo tamin’ny fanambarana an-tsoratra narahina sonia maro nataon’izy ireo. Tao anatin’izany no nitakian’izy ireo ny “fialan’i Andry Rajoelina fa mijaly ny vahoaka”.

Ny mpitarika ny Ankolafy telo Faritra Sofia sy ireo vahoaka maro miaraka aminy koa dia maneho ny fankasitrahany tanteraka iny fanambarana nataon’ny prezida Zafy albert sy ireo raiamandreny mpitarika tsy ankanavaka ao amin’ny Ankolafy telo teny amin’ny “Villa Elisabeth” Ivandry ny alarobia 02 martsa iny. “Ao andamosinareo izahay aty ary tsy misy fepetra izany satria tsy an’olon-tokana na avelantsika ho kilalaon-jaza i Madagasikara fa antsika jiaby”, hoy ny fanambarana an-tsoratra narahina sonia marobe nataon’izy ireo voaray teto amin’ny trano fanoratana.

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT