Mitotongana tanteraka ny fiainam-pirenena. Mihamahantra ny vahoaka Malagasy ary mitombo hatrany ny elanelan’ny manana sy ny sahirana eto Madagasikara.
Tsy mampiraika ny mpitondra fanjakana anefa ny fanairana hataon’ireo hery velona maro eto amin’ny firenena. Anisan’ireny ny Rodobe Fanarenana Ifotony ivondronana fikambanana, vondrona sendikaly, hetsik’olompirenena sy vondrona politika ahitana ny Taozavatra Toavina tarihan’i Jules Alain Ramananjaona. Nisy ny resaka nifanaovana taminy.
Tia Tanindrazana (TT) : Aiza ho aiza ny fitakian’ny Rodobe Fanarenana Ifotony (RFI) ?
Jules Alain Ramananjaona (JAR) : Fanenjehana no valin’ny fangatahana nataon’ny RFI. Mitohy anefa ny fitakiana fanovana governemanta hataonay. Sahirana tanteraka ny Malagasy. Mivaralila ny fiainam-pirenena. Miakatra be ny vidim-bary sy ny solika. Manjaka ny tsy fandriampahalemana sy ny fitsaram-bahoaka manerana ny nosy. Tsy mahatoky ny fanjakana intsony ny vahoaka. Tsy resy lahatra amin’ny fanjakana mpanao kolikoly ihany koa ireo mpamatsy vola. Hiandry fahavoazana lehibe hitranga ve ny filoham-pirenena vao handray fanapahan-kevitra ?
TT : Olana goavana ny sosialim-bahoaka sy ny lafiny toekarena, ny hevitry ny RFI ?
RAJ : Miankina amin’ny fanapahan-kevitra politika ireo. Mila ekipa vaovao, madio sy tia tanindrazana ny filohan’ny Repoblika. Anjara asan’ny fanjakana mantsy ny manara-maso ny fidangan’ny vidim-piainana. Azo hahena hatrany amin’ny 25%, ohatra, ny vidin-tsolika fa tsy mihaino ny filoham-pirenena.
TT : Inona marina ilay hoe «teteza-miampita» voizin’ny vovonana ?
JAR : Fanatanterahana ireo tolo-kevitra notarihan’ny FFKM (Fiombonan’ny Fiangonana eto Madagasikara) teny amin’ny CCI Ivato nosoniavin’ny filohan’ny Repoblika. Hatsangana ilay Antenimiera handrafitra ny Lalàmpanorenana vaovao.
TT : Hanorina Repoblika sy Lalàmpanorenana vaovao halain-tahaka indray ve izany isika ?
JAR : Tsy voatery ho Repoblika foana fa mety ho Fanjakana Malagasy koa. Miainga amin’ny tantaran’ny Malagasy ny Lalàmpanorenana izay ilay hoe «fanarenana ifotony».
TT : Ilaina ve ny fampihavanan’ny samy Malagasy ho an’ny Rodobe Fanarenana Ifotony ?
JAR : Fototry ny fanarenana ifotony mihitsy ny fampihavanana eo amin’ny vahoaka Malagasy. Tokony hisintaka na miala sasatra amin’izy io kosa ireo mpanao politika.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.