Politique

Famotsoran-keloka sy fampihavanam-pirenena Vonona eny Tsimbazaza ny tolo-dalŕna


  • Alarobia 26 Janoary 2011

Miandry fotsiny ny fiantsoana fivoriana tsy ara-potoana avy amin’ny governemanta sisa ny fandinihana ny lalŕna momba ny famotsoran-keloka sy fampihavam-pirenena eo anivon’ny Parlemanta.

Efa vonona ny tolo-dalàna roa raha ny nambaran’ny profesora Manantsoa Victor, filohan’ny vaomiera misahana ny famotsoran-keloka sy fampihavanam-pirenena eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita. «Efa nalefanay eo anivon’ny Birao maharitra ireo tolo-dalàna ireo ka inoana fa hanome ny heviny ny governemanta ka hamerina izany hiadian- kevitra indray eo anivon’ny Parlemanta rehefa avy mandalo amin’ny asam-baomiera», hoy ny profesora Manantsoa. Amin’ny faramparan’ity volana janoary ity na fiandohan’ny volana febroary moa no tokony hanatontosana io fivoriana tsy ara-potoana voalohany io.

Mbola misy anefa ny resaka tsy mazava na tiana afenina momba ity tolo-dalàna mikasika ny famotsoran-keloka ity satria tsy nanambara izay ventin-kevitra raketiny ny filohan’ny vaomiera namolavola azy tao amin’ny Kongresy. «Tsy mbola afaka milaza aloha izahay hatreto raha famotsoran-keloka faobe na koa misy sivana no hatao satria mbola hanome ny heviny ny governemanta ary mbola hiadian-kevitra mandritra ny fivorianay koa izany», raha ny fanazavany ihany. Raha ny resaka fampihavanam-pirenena indray dia misy karazany dimy ireo fampihavanana ny Malagasy tsy maintsy atao araka ny namondronan’ilay vaomiera azy dia ny fampihavanana ny mpanao politika, ny herivelona rehetra, ny fampihavanana noho ny disadisa ara-poko sy fiaviana ary ny fampihavanana noho ny lonilony nateraky ny tantara.

sary : Manantsoa Victor, filohan’ny vaomiera misahana ny famotsoran-keloka sy fampihavanam-pirenena ao amin’ny Kongresy
 
Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT