Politique

Famaranana ny tetezamita Tsy misy afa tsy fifidianana mangarahara ihany !


  • Talata 08 Martsa 2011

Tahaka ny fanaony isam-bolana dia nisy indray ny famelabelaran-kevitra momba ny raharaham-pirenena notanterahan’ny Centre Erup teny amin’ny EKAR Faravohitra ny sabotsy tolakandro teo.

Olona telo manana ny toerany ao anatin’ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana no namelabela-kevitra teny, nahitana an’Atoa isany Hery Rakotomanana filohan’ny CENI, sy Pierre Andrianantenaina filohan’ny antoko Farimbona sady mpikambana ao amin’ny CST ary Rtoa Blanche Nirina Richard mpitarika ny CSR-AN (Comité pour la Sauvegarde de la Refondation Authentique de la Nation). Lohahevitra nifantohan’ny famelabelaran-kevitra ny hoe : «ahoana no hamaranana ny tetezamita amin’ny fomba mihaja ?».

Tsy dia tena hoe nifanalavitra ny zavatra nivoaka tao fa mitovitovy ihany, samy niaiky ny rehetra niteny fa tsy misy afa tsy ny fanatanterahana fifidianana ihany no tena vahaolana, saingy mila milamina io fifidianana io fa tsy sanatria hitarika korontana vaovao indray akory. Ho an’ny Me Hery Rakotomanana àry dia nambarany fa ny fametrahana ireo andrim-panjakana sy ny fanatanterahana fifidianana azo antoka sy vita ao anatin’ny fotoana faran’izay haingana no hahafahana mamarana ny tetezamita amin’ny fomba mihaja. Misy anefa ny fepetra telo tsy maintsy arahana amin’izany satria tena saropady tokoa io resaka fifidianana io, araka ny nambarany ihany. Voalohany ary dia mila apetraka mazava ny fehezan-dalàna arahina amin’ny fikarakarana sy fanatanterahana izany fifidianana izany, faharoa dia mila marina sy tomombana tsara ny lisi-pifidianana mba tsy hampisavorovoro ny mpifidy, ary fahatelo farany dia tsy maintsy madio sy mangarahara eo imason’ny rehetra ny fikirakirana ny voka-pifidianana.

Mazava ho azy moa fa mila fitaovana sy vola ary olona manana ny fahaizana sy ny taikefa ampy ny fanaovana izany rehetra izany, ny CENI moa dia tsy miditra amin’ny resaka politika araka ny nambaran’ny filohany ihany fa mijanona amin’ny kirakira teknika hanomanana sy hikarakarana ny fifidianana ihany. Ho an’ny Profesora Blanche Nirina Richard kosa, izay efa elalela ihany tsy naneho hevitra momba ny raharaham-pirenena, dia nanamafy fa tsy maintsy atsangana aloha ny governemantan’ny fampiraisam-pirenena, koa manana soso-kevitra izy mba hampilamina ny fanaovana izany, dia ny hoe ireo antoko hanolotra kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena no hanolotra olona ihany koa handrafitra izany governemanta izany, ary praiministra eken’ny rehetra moa no hitantana azy.

Tahaka izany ihany koa, araka ny nambarany ihany ireo olona handrafitra ny parlemantan’ny tetezamita dia ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita izany, koa ho an’ireto farany indray dia ireo antoko na vondrona politika hanolotra kandida amin’ny fifidianana depiote sy senatera no hanome anarana hotendrena mpikambana. Tsy misy intsony ny ahiahy amin’izay fa dia samy mahita ny zava-misy sy ny asa atao ary ny fiasan’ny rafitra tetezamita ireo vondrona politika rehetra ka tsy hisy intsony ny ho be ady varotra sy fanakianana ka hampitarazoka ny asan’ny tetezamita. Ny nahagaga tamin’ity ady hevitra ity dia ny tsy nahitana olona ivelan’ny fitondrana tamin’ireo voalahatra hanao famelabelaran-kevitra. Nasaina izy ireo fa tsy tonga, sa tratry ny sivana tsotra izao ?

 
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT