Politique

Famahana ny krizy Sarotra ny hanilika an’i Dada


  • Talata 15 Martsa 2011

Efa hatramin’ny alarobia lasa teo ka hatramin’izao no mitohy etsy sy eroa ny fivoaran’ireo lohandohan’ny mpisorona ao anatin’ny FAT, ka araka ny tsiliantsofina re dia manodidina ny dingana manaraka tsy maintsy arahana taorian’ilay fanaovana rangopohy ny sori-dalan’ny Dr Simao no anton’izany, dia eo ny fanendrena izay ho praiministry ny marimaritra iraisana sy ny mety ho firafitry ny governemantan’ny firaisam-pirenena.

Hatramin’izao aloha dia mbola tsy misy ny anarana mazava azo antoka fa hotendrena na dia ambaran’ny mpanara-baovao fa miady ho lohany amin’ity raharaha ity, na dia mody tsy be resaka aza Atoa isany Camille Vital sy Alain Tehindrazanarivelo miampy an’i José Vianey. Politika no resahana eto, ka araka ny efa nambara hatramin’izay dia tsy misy izany hoe : «surprise» izany amin’ny fanaovana politika fa lojikan’ny paikady napetraka avokoa ny zava-mitranga rehetra. Efa manana ny eritreriny i Andry Rajoelina sy ireo mpanara-dia azy dia ny hahamafy orina ny fahefany mba hahafahany manomana tsara ny filatsahan-kofidiany amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo. Mety ho fomban-javatra fotsiny ihany, tahaka ny nanaovana ny Dinika Santatra sy ny Fihaonambem-pirenena ny hoe fakana ny hevitry ny vondrona politika ny amin’izay tokony hotendrena praiministra, fa efa misy anarana vonona any ho any, fa miandry fotoana fotsiny ny famoahana azy.

Ny manahiran-tsaina ny ao amin’ny FAT amin’izao fotoana anefa dia ity Atoa Ravalomanana milaza ny hitety ireo firenena mpikambana ao amin’ny SADC mba hiarovana ny hevitry ny ankolafy 3 izay mahita fa poizina ho an’i Madagasikara ilay sori-dalana nivoaka io. Efa roa taona no nipetraka tany Afrika Atsimo ity filoha teo aloha ity ary nifandray matetika tamin’ireo filoham-panjakana sy tompon’andraikitra ambony tao amin’ireo firenena mpikambana amin’ny SADC ireo, ka noho izany mahafantatra tsara ny fomba fiasan’izy ireo ary mahalala ny fomba fijeriny, ka noho izany mety manana tombony amin’ny fandresen-dahatra azy.

Etsy ankilany anefa dia mikaviavia ihany raha amin’io katro-doha amin’ny SADC io ny fitondrana tetezamita fa nahay niresaka sy nandambolambo an’i Leonardo Simao fotsiny, izay tena mbola nahatalanjona ny maro ny fitsimbadihan’ny fomba fiasany tampotampoka teo, ka mahatonga ny siosion-dresaka maro be momba ity diplaomaty Mozambikanina ity. Mbola tena manana ny heriny eo amin’ny sehatry ny fifandraisana sy ny fifampiraharahana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena Atoa Marc Ravalomanana, ary hatramin’izao dia tsy hain’ny FAT ny handresena azy amin’izay lafiny izay, na dia efa miezaka ny mitondra ny traikefany hanampiana an’i Andry Rajoelina ihany aza ny Frantsay. Midika izany rehetra izany fa tena mbola sarotra ny manilika an’i Dada ary hita ho lasa aloha loatra ihany ny famadihana palitao nataon’ireo mpanao politika TIM sasany, ka mahatonga ny mpanara-baovao hiteny hoe : «ny akoho no tsy nanidina, dia noho izy tsy nahandry ny andro zoma »

 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT