Politique

Famahana ny krizy Mitsangana any Eoropa ny CCRR


  • Talata 15 Febroary 2011

Nijoro tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy 12 febroary lasa teo tany Bangeux, Frantsa ary namoaka fanambarana momba ny raharaha eto Madagasikara ny CCRR (Cercle de Concertation pour la Refondation Républicaine), kazarana sehatra ifanakalozan-kevitra ho amin’ny fanorenana fototra vaovao mafy orina ho an’ny Repoblika.

Ireo mpitarika na solontenana fikambanana vitsivitsy ivondronan’ny teratany Malagasy monina sy miasa any Eoropa no hita ao anatin’ity CCRR ity. Hita ao, ohatra, ny Dr Ratefinanahary Emile avy amin’ny TIM Eoropa teo aloha, ao koa ry Organès Rakotovao avy amin’ny antoko TGV, Eric Rajaona Leader France, Eddie Fernand misolo tena ny MDM Eoropa. Santionany ihany ireo fa mbola maro ny mpikambana ary raha ny fahitana azy dia ahitana ireo firehana politika maro samihafa eto Madagasikara ao anatin’ity Cercle de Concertation pour la Refondation Républicaine ity. Araka ny fanambarana nivoaka dia vonona ny hitondra ny anjara birikiny amin’ny famahana ny krizy sy ny fandrafetana sy Repoblika vaovao ny CCRR izay ivondronana manampahaizana sy teknisianina amin’ny sehatra maro. Amin’izy ireo dia zava-dehibe ny maha iray tsy mivaky ny Repoblika, ny filaminana sy ny fahafahana ary ny tsy fiandanian’ny foloalindahy.

Mankasitraka ny sori-dalan’ny SADC ihany koa ny CCRR ary mahita fa vahaolana hivoahana amin’ny krizy ny fiaraha-mitantana sy fananganana rafitra tetezamita ahitana ny ankolafy sy vondrona politika rehetra. Raha tsorina ny resaka dia vonona ny hiditra ao anatin’ireo rafitra tetezamita ny CCRR ka hitondra ny fahaiza-manaony sy ny traikefany amin’ny famahana ny krizy sy ny fametrahana Repoblika vaovao tsara fototra. Ho avy ihany koa ny fananganana governemantan’ny fisokafana. Heverina fa tsy tongatonga ho azy ny fijoroan’itony sehatra itony.

 
Nangonin’i RTT
 

Sary : Ireo mpikambana mpanangana ny CCRR

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT