Miha maro indray ankehitriny ireo mpanao politika, mpandinika ary olon-tsotra mahita fa tsy hamaha ny krizy velively ny fanapahan-kevitra na toromarika sy sori-dalana havoaky ny SADC amin’ny fomba ofisialy any Sandton Afrika Atsimo rahampitso sabotsy, satria tsy tena mifanaraka marina amin’ny filan’ny Malagasy sy i Madagasikara izany.
Ho an’i Paul Rabary mpandinika fiarahamonina dia nilaza mazava fa : “tsy misy azo antenaina amin’ny SADC amin’ny sabotsy ho avy izao satria tsy ho vahaolana ho an’i Madagasikara mihitsy ny fanomezana rariny ny Ankolafy 3, na ny fanohanana ny FAT. Raha hanaiky amin’ny fomba ofisialy ilay sori-dalana anefa ka hanaiky amin’ny fomba diplaomatika an’i Andry Rajoelina sy ny fitondrany ny SADC dia azo antoka fa tsy hipetra-potsiny ny Ankolafy 3 fa tsy maintsy hihetsika dia hiditra amin’ny krizy vaovao indray isika». Ho an’i Roland Ratsiraka indray dia «tsy azo itokisana intsony mihitsy ny asa fanelanelanan’ny SADC ary tsy nahagaga, araka ny filazany, raha toa ka tsy nisy sonia vita tany
Ary raha
Efa maro ireo mpanelanelana tonga teto nanomboka tamin’ny febroary 2009, tahaka an-dry Hailé Meinkeros, Ramtane Lamamra, Tiébilé Dramé, Edem Kodjo, Ablasse Ouédarogo, Joaquim Chissano, Leonardo Simao, efa nandalo teto ny vondrona Afrikanina, ny Firenena Mikambana, ny OIF, ny COI ary ny SADC, eny fa any Kaomorianina aza efa mba tonga saika hampihavana ny samy Malagasy saingy nandamoka avokoa izany rehetra izany ary tsy hita izay tena lalan-kizorana hatramin’izao. Ny siosion-dresaka no nahafantarana fa misy vola be an-tapitrisany dolara miparitaka sy zaraina any ambadimbadika any, ka toa hoe izany hono, no mampiovaova isaky ny mihetsika ny fizotry ny dinika politika sy ny asa fanelanelanana eto. Raha handamoka ny fanelanelanan’ny SADC dia ahoana ny ho tohiny ? Vondrona sy fikambanan iraisam-pirenena inona indray no ho avy eto ? Hatokisana ve fa tena hampiravona ny olana ny fifampiresahan’ny samy Malagasy, izany hoe mpanao politika malagasy aman-jatony miaraka amin’ny solontenan’ny fiarahamonim-pirenena an’arivony sy ny solontena isam-paritra na isaky ny distrika misimisy ihany, dia ho raikitra ny adivarotra sy ny ady seza ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.