Politique

Famahana krizy Malaza indray ny resaka miaramila


  • Talata 01 Febroary 2011


Araka ny tsiliantsofina dia misy ny vahaolana ho famahana ny krizy amin’izao fotoana izao avy amin’ny miaramila. Ireo miaramila any anatin’ny toby izay misy manamboninahitra lefitra sy manamboninahitra kolonely maromaro no fantatra fa mitaky ity vahaolana ara-miaramila ity. Anisan’ny vahaolana avoakan’izy ireo amin’izany ny hoe raisin’ny miaramila tanteraka ny fitantanana ny firenena ka izy ireo no manomana ny fifidianana tsy misy tomika miaraka amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny filohan’ny FAT kosa mijanona ho filoha

saingy anaram-boninahitra ihany. Ny fifidianana filoham-pirenena no atao laharam-pahamehana amin’izany fitantanana izany ao anatin’ny fotoana fohy, ary amin’izay dia mahazo milatsaka avokoa izay olona te ho lasa filoham-pirenena ka mahafeno ny fepetra takian’ny lalàmpanorenana. Araka ny fantatra dia efa mahafantatra ity tolo-kevitry ny miaramila ity ny fianakaviambe iraisam-pirenena ka ho hita indray koa ny ho tohin’izany.

Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT