Politique

Fahefana avon’ny tetezamita Mifandrahona ny samy mpitondra


  • Alakamisy 27 Janoary 2011

Nitsingerina omaly ny faharoa taonan’ny «Alatsinainy Mainty». Tsy afa-bela tamin’izany i Toamasina.

Maromaro ny anarana navoakan’ny Lt-kolonely Charles Andrianasoavina ho nikotrika azy iny tao anatin’ny ampamoaka nataony. Midika io fa raha fitia no niarahan’izy rehetra roa taona lasa, lasa romoromo izany roa taona aty aoriana, ka vaky mihitsy ny ady eo amin’ny samy mpomba ny FAT noho ny hevitra tsy itoviana amin’ny fiheverana ny fanovana. Vao mainka nampirehitra izany ny tenin’i Alain Ramaroson, filohan’ny vaomieran’ny filaminana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, tao amin’ny onjam-peom-pirenena, 72ora taorian’ny fanadiovana nataon’ny Kaominina Toamasina mikasika ny posy.

Voalaza tamin’izany fa «misavorovoro ny sain’ireo mpitondra posy(…) tsy fotoana izao hanakorontanan-tsaina ny vahoaka (…) tsy misy eto afaka milaza fa tompon’ny tanàna, avy amin’ny tolona ihany koa no nahazoanareo mianakavy ireo ny toeranareo (…) tsy ekeko izao (…) ilaina ny fifampiresahana sy ny fifandeferana amin’ny atao». Nandray izany ho fandrahonana sy fanakorontanana ny fandaminana ataony eo anivon’ny kaominina ny PDS Rakotovao Mariot, ka nilazany fa «misy olona ambony amin’izao fitondrana tetezamita izao miezaka ny manakorontana ny fandaminana atao eto Toamasina. Raha misy ny zavatra tsy mety sy ny savorovoro mety hitranga, dia tsy miala amin’izany izahay». Asa na vokatr’io koa no nandraisan’ny PDS Rakotovao Mariot fepetra ka nampitomboany ny mpiambina azy manokana efa ho roa herinandro izao.

 
Rakoutou
 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT