Politique

Fa inona no mitranga ? Tonga Rajoelina, lasa i Vital


  • Talata 03 Mey 2011

May volon-tratra ary hita ho tsy mahatombina mihitsy ireo mpitondra ambony ao amin’ny Fahefana avon’ny tetezamita arakaraka ny maha antomotra ny datin’ny 20 mey, hisian’ny fivoriana tsy ara-potoana

 Taorian’ny fivoahana in-droa nisesy nataon’i Andry Rajoelina tany Namibia nitohy tao Mozambika, avy eo tany Zambia ny faran’ny herinandro teo dia nihazo ny nosy Maorisy omaly tolakandro koa ny jeneraly Camille Vital, nitarika delegasiona ahitana minisitra telo ao amin’ny governemantany dia i Pierrot Rajaonarivelo, minisi-panjakana misahana ny toekarena sy ny indostria, Rakotoarison Yves Aimé, minisi-panjakana misahana ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana, ary Yvette Sylla, minisitry ny raharaham-mbahiny. Raha ny fandaharam-potoana dia nihaona tamin’ny praiministra maorisianina Navin Ramgoolam, ny praiministra lefitra Xavier Duval ary ny minisitry ny raharaham-bahiny, Arvin Boolell izy ireo.

Araka ny loharanom-baovao dia nampita teny ny fanirian’i Andry Rajoelina mba hihaona amin’ny mpitondra ambony maorisianina, mialoha ny 20 mey, i Camille Vital tamin’izao diany izao. Ity no diany faharoa tany Maorisy hatramin’ny nanendrena azy ho praiministry ny fahefana avon’ny tetezamita ny 20 desambra 2009. Efa nisy dia manokana nataony tany Maorisy ny 30 desambra 2010 ka hatramin’ny 3 janoary 2011, izay nihaonany amin’i Xavier Duval.

Ilaina

Fa nialoha ny nandehanan’ny jeneraly Camille Vital dia fantatra fa nisy taratasy maromaro nalefa tamin’ny anarany, ny 02 mey 2011, mangataka fihaonana amina tompon’andraiki-panjakana afrikanina maromaro, mpikambana eo anivon’ny SADC. Anisan’izany ny filoha afrikanina tatsimo sady filoha lefitry ny Troika SADC, Jacob Zuma. Araka ny loharanom-baovao dia nandefasany ny taratasy fangatahana fihaonana koa Atoa isany Bethuel Pakalitha Mosisili, Praiministry fanjakan’i Lesotho, James Alix Michel, filohan’ny Repoblikan’i Seychelles, Dr Barnabas Sibusiso Dlamini Praiministry fanjakan’i Swaziland, Morgan Tsvangirai, Praiministry ny Repoblikan’i Zimbabwe ary ny Praiministry ny Repoblikan’i Namibia, Nahas Gideon Angula.

Raha zohiana amin’izao dia nanova paikady ny fahefana avon’ny tetezamita rehefa nivoaka sempotra ny filohany, ka ny praiministra indray no nalefa nialoha lalana dia izy no miangavy mafy ny mba handraisana an’i Andry Rajoelina izay ho avy handresy lahatra (lobbying) amin’ny dingana efa mba nataony handaminana ny krizy ka hirosoana amin’ny fifidianana. Mivavaka mafy amin’ny SADC ny FAT ankehitriny. Ilaina ihany ve izany ireo olona nolazaina fahiny fa tsy tokony hiditra amin’ny raharahantsika Malagasy ?

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT