Politique

Escopol Centriste Ny hery politika 11 no mankany Gaborone


  • Alatsinainy 23 Mey 2011


 Ny fehin-kevitry ny Sadc farany teo momba ny raharaha Madagasikara hatrany no mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao. Ho an’ny Escopol Centriste dia ireo hery politika miisa 11 miaraka amin’ny Ankolafy telo no miatrika ilay fivoriana tontosaina any Gaborone amin’ny volana jona izao. Nambaran’i Charles Aimé Randriamorasata mpitarika ity vondrona ity fa “voakasik’io fivoriana io avokoa ny rehetra afa tsy ny filohan’ny fahefàna avon’ny tetezamita izay efa eken’ny Sadc ny maha filoha azy. Tsy misy rahateo andininy milaza fa Ankolafy efatra no nantsoina hivory. Tsy misy ihany koa ankoatra izay andininy na iray aza ao anatin’ilay sori-dalana no nolavin’ny Sadc”. Miantso ireo vondrona politika 11 misolo tena ireo antoko politika 411 hifanatona haingana ka hijery izay hanatsarana ny voasoritra rehetra amin’ny sori-dalana ny tenany. Ireo antoko politika rehetra ireo, hoy ihany i Charles Aimée no tokony handray anjara amin’ny fandresen-dahatra ireo Ankolafy telo hiditra amin’ny fifampiraharahana.

 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT