Politique

Emile Ratefinanahary Ampy izay, sonia sisa no atao any Gaborone


  • Alakamisy 26 Mey 2011

Tsy misy zavatra hafa tokony hatao ankoatra ny sonia any Gaborone Botswana, araka ny nambaran’i Emile Ratefinanahary na i Vazaha, Malagasy mila ravinahitra any Frantsa any ary TIM miara-dia amin-dRaharinaivo.

 Efa ela loatra ny krizy ary sahirana sy mijaly ny vahoaka, hoy izy. Tsy mila dinika hafa izany intsony fa efa tena ampy izay raha ny filazany ihany ary ny fananganana ny tetezamita iaraha-mitanana no tokony himasoana ary atsangana ireo rafitra rehetra, aorian’izay dia mifantoka amin’ny fikarakarana ny fifidianana fa tsy mandany andro amin’ny fivoriana etsy sy eroa intsony. Taorian’ny nidiran’ireo nisintaka tao amin’ny Ankolafy Ravalomanana sasantsasany tao amin’ny governemanta Vital dia nanomboka niova fomba fijery tsimoramora i Vazaha izay tena mpanohana mahafatrapo ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ary mpanakiana fatratra ny FAT. Araka ny fantatra tokoa mantsy dia mifankahazo tsara amin’ny Dr Hery Raharisaina solombavambahoaka Tiako I Madagasikara tao Vohémar teo aloha ary minisitry ny jono ankehitriny i Emile Ratefinanahary, ka mety anisan’ireo efa miketrika ny hahazo toerana amin’ny fizarana seza manaraka koa angamba, hoy ny mpanara-baovao. Anisan’ireo nihaona tamin’i Andry Rajoelina taorian’ny fiverenan’ity farany avy any Istanbul, ka nandalo tao Frantsa farany teo, i Vazaha. Efa eto Madagasikara hatramin’ny alin’ny talata teo izy ary mamantana eny Andravoahangy eny, milamin-tsaina tsara.

 

Nangonin’i RTT

 

Sary : Emile Ratefinanahary

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT