Politique

Elatra Yves Aimé Mandalo krizy sahady koa


  • Alakamisy 24 Martsa 2011

Nanao be fiavy ny elatra Yves Aimé Rakotoarison, nisintaka tamin’ny ankolafy Ravalomanana tao anatin’ny herinandro nanaovana rangopohy ilay sori-dalana naroson’ny Dr Leonardo Simao ka hatramin’ny fanolorana anarana ho praiministry ny marimaritra iraisana.

Nisesy ny fanambarana nataon’ity elatra iray nisintaka avy ao amin’ny Tiako i Madagasikara ity nanomboka ny alarobia 09 martsa nihazoan’izy ireo an’Ivato nanao ilay rangopohy, nitohy tamin’ny fanambarana tao amin’ny Colbert ny zoma 11 martsa fa vonona hiroso izy ireo, hifanome tanana amin’i Andry Rajoelina hamarana ny krizy (?) Dia tafiditra an-dapa ny alatsinainy 14 martsa, nandroso anarana izay ho praiministra, nitatra tamin’ny resadresaka natao ny 16 martsa ka nanendrena na namerenana indray an’i Camille Vital ho praiministra. Re fa dia manomboka mandalo krizy anatiny ity elatra ity rehefa tonga amin’ny resaka seza. Nangina tampoka ny seraseran’izy ireo nanomboka teo. Tsy vitsy amin’ireo nanara-dia no latsa-panenenana ka te hiverin-dalana ho any Bel’Air saingy matahotra ny henjehina ho mpamadika an’Atoa Marc Ravalomanana sy ny Legalista nitolona nandritra ny roa taona hamerenana ny ara-dalàna.

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT