Politique

Eduardo dos Santos, Andry Rajoelina Nirava mangina ny fihaonany tany Luanda


  • Alakamisy 19 Mey 2011

Noraisin’ny filohan’ny Repoblikan’i Angola, José Eduardo dos Santos i Andry Rajoelina, filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita, omaly alarobia 18 mey.

 Tsy nisy nanao fanambarana tamin’ny mpanao gazety mikasika ny votoatin’ny fihaonana na ny andaniny na ny ankilany, taorian’ny fihaonana naharitra 40 minitra, fa nirava mangina, araka ny tati-baovao ao amin’ny tranokalan’ny Fiadidiana ny filoha Angoley ary taterin’ny Angop na Agence Angola Press omaly. Ny talata teo no tonga tany Luanda i Andry Rajoelina filohan’ny FAT, nilaza fa hikatsaka ny fanohanan’ny fianakaviambe iarisam-pirenena hivoahana amin’ny krizy mahazo ny firenena, vokatry ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 niakarany teo amin’ny fitondrana, hoy ny fitateran’ireo loharanom-baovao avy any Angola ireo. Nampahatsiahy ireo loharanom-baovao ireo fa mihantona eo anivon’ny SADC i Madagasikara mandra-pahavita ny fifidianana hiverenana amin’ny ara-dalàna araka ny lalàmpanorenana.

Io lalàmpanorenana io no milaza, araka ireo loharanom-baovao angoley ireo, fa olompirenena feno 40 taona no afaka milatsaka fidiana, nefa ny Ben’ny tanànan’Antananarivo teo aloha vao 37 taona. Miharihary amin’io fa na ny mpanao gazety, izay mitrandraka vaovao aza tsy mahalala ny fisian’izay fitsapan-kevi-bahoaka natao teto tamin’ny 17 novambra 2010, izay mamaritra fa 35 taona, mizaka ny zom-pirenena malagasy dia afaka milatsaka hofidiana filoham-pirenena.

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT