Politique

DST Manoatra noho ny DGIDIE teo aloha


  • Alarobia 16 Martsa 2011


Naneho ny hatezerany omaly, ireo zandary mpanao famotorana mikasika ilay fipoahana teny amin’ny Masay. Nilaza izy ireo fa tena resaka politika mihitsy no ataon’ny DST (Direction de la Sécurité du Territoire). Raha mandeha amin’ny saina tsy miangatra ny famotorana mikasika iny raharaha iny dia tsy tokony hanao izany mihitsy ny DST. Ity farany izay eny Ambohitsorohitra no misy azy ary baikon’ny fiadidian’ny filohan’ny FAT mivantana. Nilaza ireo zandary fa manana endrika DGIDIE teo aloha ity DST ity raha izao fomba fiasany izao. Niteraka fifamaliana imasom-bahoaka teo amin’ny samy tompon’andraikitra eo anivon’ny Emmo-Reg sy ny DST ity fipoahana teny Masay ity raha vao nitranga ny raharaha. Ny iray nilaza fa anareo ny famotorana fa izy no mibaiko. Samy manamboninahitra no mifampitandroka ka dia niafara tamin’izao samy fanaovana ny famotorana izao na ny andaniny na ny ankilany.

 
Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT