Politique

Dr Ratsimamanga Ralandison Justin “Ny fifidianana no antoka ny fivahan’ny krizy”


  • Zoma 11 Febroary 2011

Efa vita lasitra tahaka ny valim-panontanian’ny mpikambana rehetra ao amin’ny FAT rehefa miresaka raharaham-pirenena ny an-dry zareo ao amin’ny Antoko politika Ame (Antoko Miombon’Ezaka). Izay anontaniana amin’ny iray dia ho heno any amin’ny hafa (toy ny zavatra voarakitra an-kapila manjelatra). Resadresaka tamin’ny Dr Ratsimamanga Ralandison Justin, mpikamba ao amin’ny birao politikan’ny antoko.

Tia Tanindrazana (TT) : Antoko mpivadibadi-dela no fahitana ny AME ?

Dr Ratsimamanga R. Justin (Dr Justin) : Raha ny resaka politika dia milaza izahay fa ny marina omaly tsy marina androany fa arakaraka ny zava-misy io satria efa mivoatra be ny toe-draharaham-pirenena. Tsy maintsy manaraka ny zava-misy ny rehetra fa tsy mitompo teny fantatra hoe rehefa izao dia izao. Fa ny foto-kevitra ijoroana kosa dia mipetraka foana hatrany, tsy miova mihitsy.

TT : Ny hevitry ny AME amin’ny resaka famotsoran-keloka ?

Dr Justin: Hatramin’izay ka hatramin’izao dia tsy niady tamin’iza na iza izahay. Tsy manana fahavalo ary tsy hanangam-pahavalo antoko politika mihitsy koa izahay fa mitady mandrakariva ilay zavatra tokony hampihavana. Tsy dia mifanipaka amin’ny hevitry ny 3PE ny an’ny AME hoe : Atsangano ny tribonaly manokana hitsara ny raharaha mahavoarohirohy ireo mpanao politika maro. Io no hamoaka hoe iza no afaka mirotsaka ireo mieritreritra ho kandidà amin’ny fifidianana tandrify azy.

TT : Inona no anohananareo ny fitondrana misy ankehitriny nefa hoe : tsy tokony hitondra ny mpanongam-panjakana ?

 Dr Justin : Io fanjakana io aloha no misy dia ahoana no amoahana azy io ho any amin’ny fitondrana demokratika indray ? Manana Mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny Tetezamita sy ao amin’ny Kongresin’ny Tetezamita izahay fa tsy hoe manohana na manohatra fitondrana no dikany fa hoe ahoana ny fiaraha-miasa amin’ny ahatongavana any amin’ny fifidianana antoky ny fivahan’ny krizy eto amintsika.

TT : Amin’ireny fifidianana feno hosoka toy ny tamin’ny farany teo ireny ve ?

Dr Justin : Mba manomboka amin’izay izao, mijoro hoe : tsy atao tahaka ny nahazatra teo aleo intsony ny fifidianana ho avy fa atao amin’ny mangarahara tanteraka. Tokony hiady an’io daholo ny rehetra.

 
Nangonin’i Manohy
 

SARY : Dr Ratsimamanga Justin, antoko AME

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT