Politique

Dr Rakotovahiny Emmanuel “Tsy misy fitondrana izany eto !”


  • Zoma 20 Mey 2011

Natomboka ary tsy maintsy hitohy ny hetsiky ny “Rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana», araka ny nambaran’ny Praiministra teo aloha, Dr Rakotovahiny Emmanuel lehiben’ny delegasion’ny ankolafy Zafy Albert.

 “Efa tsy manan-kery intsony izao fitondrana tetezamita izao”, araka ny nambarany ka izany no tsy maintsy hanaovana hetsika goavana hitakiana ny fananganana tetezamita tena izy, ahitana ny ankolafy politika rehetra. “Tsy mpitondra no misy eto Madagasikara fa mpanao didy jadona ka mampiteny ny basy sy mampijaly ny vahoaka fa tsy mety miresaka sy mifampiraharaha amin’ny hafa”, araka ny nambaran’ny Dr Rakotovahiny Emmanuel ihany. Izy moa dia manohana ny hevitry ny profesora ZafyAlbert fa tsy mila fangatahana fahazoan-dalana izany ny hetsika fanehoan-kevitra tahaka izao, ary miampy izay dia notsipihany mazava fa “tsy ara-dalàna ny fitsanganan’izao fitondrana izao koa nahoana moa no tsy maintsy haka fahazoan-dalana any aminy izay manao hetsika fanoherana ny tsy mety ataony ?”. Efa tena mijaly ny vahoaka araka ny nambarany ka tsy hanaiky intsony ny tsindrihazolena sy ny tsy rariny atao aminy isan’andro vaky izao ka izay ny mahatonga ny rodobe. Hanatevin-daharana ny eto Antananarivo amin’ny hetika rehetra mbola ho atao ny avy any amin’ny faritra araka ny nambarany ihany. Ho an’ireo avy amin’ny Ankolafy 3 moa dia mazava ny resaka fa rehefa tsy manaiky ny fifampiresahana hananganana tetezamita iaraha-mitantana i Andry Rajoelina dia miala fa tsy midongy toerana !

 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT