Politique

Dr Rakotomalala Nirina Tokony hifona amin’ny Malagasy ireo mpanao politika


  • Alarobia 18 Mey 2011

“Ireo mpanao politika no tena olana eto. Tonga dia mifampirafy ary mifampitondra toy ny mpifahavalo. Mampijaly ny vahoaka izy ireo. Tokony hifona ampahibemaso amin’ny Vahoaka ireo mpanao politika ireo satria sosotra amin’izy ireo ny Vahoaka izay natao tohatra fiakarana fotsiny hatramin’izay”, araka ny fahitan’ny Dr Rakotomalala Nirina, mpitarika ny Tiako i Madagasikara Alemana taloha

Raha ny fanazavany dia tsy ilaina ny fampihavanana satria ny Vahoaka madinika tsy manana olana fa ireo mpanao politika no olana. Natsangana ny antoko politika, hoy izy hahazoana toerana eo anivon’ny fanjakana satria be loatra ny karaman’ireo eo anivon’ny fitondrana ka midongy ho eo daholo ny rehetra. Ohatra noraisiny tamin’izany ny karaman’ireo eo anivon’ny CENI izay mitentina hatrany amin’ny valo tapitrisa ariary sy ireo minisitra izay any 12 tapitrisa ariary, araka ny filazany. Midangana loatra, hoy izy ka mila mazava tsara. Fanontaniana moa no napetrany raha toa ka hahaleo ny sarany ny vidiny, mifanentana ve ny asa vita sy ny karaman’ireo sokajin’olona ireo ? Ho azy manokana dia manampy hatrany araka izay azo atao ireo sahirana eny ambany tanàna ny tenany rehefa mandalo eto an-tanindrazana (monina any Allemagne izy).

Tsy dia mampiraika azy kosa anefa ny hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena fa mety hanahirana ireo vahiny monina eto amintsika ny fombany mahitsihitsy fiteny sy miaro fatratra ny fiandrianam-pirenena (tsy lanin’ny vavoniny ny fameran’ny Frantsay mpanjanatany ny fetra fandratovan’ny Malagasy fahalalana fahiny fa hatreo amin’ny CESD izany dia tankina). Ny fanampiana kandidà toy ny nataony tany taloha no mbola hoeritreretina raha mbola hatao, hoy izy.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT