Politique

Dr Raharisaina Hery “Avelao ny olona haneho hevitra !”


  • Zoma 25 Febroary 2011

Radio Piraty, famoriana mpanao politika hataon’i Andry Rajoelina amin’ny herinandro ambony iny. Manana ny heviny ny Dr Raharisaina Hery, avy amin’ny antoko Tiako I Madagasikara..

Tia Tanindrazana (T.T) : Maro tamin’ireo vahoaka tonga teny Ivato tamin’ny sabotsy no tsy mpankao amin’ny Magro Behoririka, mbola ilaina ve ny hetsika ao amin’ity toerana ity ? Misy milaza fa ato aminareo aza misy tsy mankasitraka azy io ?

Dr Raharisaina Hery (D.R.H) : Araka ny teneninao dia betsaka no tonga teny Ivato. Ireny no vondron’olona mangina manohana ny Filoha Marc Ravalomanana. Te haneho ny heviny izy nefa tsy mpitolona fa mpifidy fa ao amin’ny Magro no mpitolona. Ilaina ny mpitolona maneho hevitra. Efa tsy misy intsony ny onjam-peo hitenenana ka ao no ahafahana manao izany sy mifampita vaovao. Lainga ny hoe aty Bel’Air tsy mankasitraka ny Magro.

 
T.T : Ka misy ny Radio piraty tsinona ?

D.R.H : Miombon-kevitra amin’ny Tia Tanindrazana aho hoe, radio piraty ve sa ny alalana no tsy mivoaka ? Ny mahatonga ny olona manangana radio etsy sy eroa dia noho ny tsy fisian’ny fahalalahana eo amin’ity sehatra ity. Ka tsy ny fanidiana ny haino aman-jery samihafa no vahaolana amiko fa ny fijerena ny antony sy fametrahana lalàna marim-pototra amin’ny haino aman-jery.

 

T.T : Hamory mpanao politika i Andry Rajoelina amin’ny herinandro. Ny hevitrareo ?

D.R.H : Ny anay dia mazava, izahay tsy mitsipaka fifampidinihana an-databatra boribory. Diso be ny filazana fa izay tsy mandeha dia mpanohitra. Ny tetezamita izany dia tsy tokony hisy mpanohitra fa fitantanana hifanarahana, tsy hanavahana an’iza na iza ary tsy momba ny atsy sy ny aroa mba hahazoana mandeha any amin’ny fifidianana madio sy mangarahara sy ahazoana valim-pifidianana eken’ny rehetra. Ny zava-doza mantsy dia ny krizy aorian’ny fifidianana ka raha tsy io no voamboatra dia manahirana.

 
Nangonin’i Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT