Politique

Dr Manoro Régis Avoahy aloha ireo gadra politika !


  • Alarobia 04 Mey 2011


 Ho an’ny Dr Manoro Régis dia ny famoahana ireo gadra politika rehetra, na sivily na miaramila, ny fahafahan’ireo sesitany rehetra miverina an-tanindrazana tsy misy raorao ary ny famotsoran-keloka aloha no tokony hirosoana fa resaka fampandriana andrisa avokoa ny ankoatra izay. Aminy dia fandaniana andro sy vola lany fotsiny ny fiantsoana fivoriana handinihana volavolan-dalàna hataon’ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita. Mikasika ilay fanaovan-tsonia, fanohanana ny fanambarana nataon’ny Ankolafy telo ny amin’ny hananganana tetezamita vaovao sy ny fananganana governemanta iraisana dia nanambara ity mpitondra tenin’ny ankolafy Zafy Albert ity fa mbola mitohy ny fanaovan-tsonia. Araka ny fantatra dia nahatratra 5.000 mahery ny fikambanana sy olon-tsotra nanao sonia fanohanana io fanambarana io tany amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT