Politique

Dr Manoro Régis Antso fanairana no ataonay


  • Talata 15 Martsa 2011

Tsy midika velively ho fananganana fitondrana tetezamita hafa ankoatra ny misy amin’izao fotoana ny fanambarana nataon’ny Pr Zafy Albert, hoy i Manoro Régis, mpitondra tenin’ny ankolafy Zafy fa kosa fanairana ny rehetra, indrindra fa ny FAT sy ireo masoivoho vahiny eto amintsika ny tsy fetezan’ny fandehan-draharaha amin’izao fotoana.

Mampiahiahy be ihany ny zava-misy ankehitriny, hoy ny Dr Manoro Régis ka “tsy afaka ny hipetra-potsiny izahay fa tsy maintsy miteny sy maneho hevitra ary mandroso vahaolana afaka ifampidinihana hamahana izany”. Manamafy ny ankolafy Zafy Albert fa “tokony hisy ny fihaonana eo amin’ireo filohan’ny ankolafy mba hijerena ny soso-kevitra rehetra nivoaka hatramin’izay”, io fihaonana io no fanalahidin’ny krizy araka ny nambarany satria mahalala tsara an’i Madagasikara sy ny zava-misy eto ireo filohana ankolafy ireo, izay samy efa nitantana ny firenena ary nahazo lesona tamin’ny zavatra nataony na tsy nataony.

Nanitsy ny fanambarana nataon’ny Pr Zafy Albert teny amin’ny Carlton izany ny Dr Manoro Régis mba hampisinda ny ahiahy tsy hihavanana ka nampandeha be ny feo teto an-drenivohitra hoe : hosamborina ny Profesora Zafy satria mitarika ny olona hanongam-panjakana sy hanangana fanjakana ao anaty fanjakana. Tahaka ny ankolafy Ravalomanana sy Ratsiraka dia manamafy ity ankolafy ity fa tsy hanasonia ny sori-dalana aloha izy ireo raha tsy tanteraka ireo fepetra amin’ny fametrahana ny tena fitoniana tahaka ny hoe famoahana ireo gadra politika, ny fiverenan’ireo filoha teo aloha eto an-tanindrazana, ary ny fampitsaharana ny ramatahora atao amin’ny mpanohitra ny tetezamita, fanalalahana maneho hevitra. Miampy izay dia mitaky ny hisian’ny fihaonana vaovao eo amin’ny filohan’ny ankolafy efatra izy ireo, ary azo itarina amin’ny fihaonan’ireo lehibena vondrona politika indray izany avy eo. Nanamafy kosa anefa ny Dr Manoro Régis fa raha tsy misy mihaino ny antso fanaraina dia handinika ny zavatra tokony hatao ho amin’ny dingana manaraka izy ireo ary ho mafimafy kokoa ny fanehoana ny fitakiana amin’izay fotoana izay.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT