Politique

Dr Leonardo Simao “Tsy mbola tetezamita iaraha-mitantana no mijoro eto !”


  • Alatsinainy 31 Janoary 2011

Na dia nisy aza ny filazan’ny Firenena Mikambana fa afaka manatrika ny fivoriambe fanao isan-taona any New York amin’ny septambra ny FAT dia tsy mbola eken’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny maha ara-dalŕna ny tetezamita mijoro eto Madagasikara amin’izao fotoana, satria tsy manara-penitra sy tsy mahafeno ny fepetra takiana.

Ny Dr Leonardo Simao no niteny izany. Raha tsorina ny resaka, mbola endrika fitantanan’ankolafy tokana no nisy teto hatramin’ity volana janoary ity. Mpanao politika avy amina antoko zato mahery tokoa no tafiditra any anatin’ireo rafitra tetezamita roa dia ny CST sy ny CT izany, saingy ho an’ny sehatra iraisam-pirenena, sy ny olona maro eto an-toerana dia tsy mifanalavitra amin’ny firehan’i Andry Rajoelina ny azy ireo. Noho izany, tsy mbola tafajoro ny tetezamita iaraha-mitantana, ahitana ny ankolafy politika rehetra, indrindra fa ireo nifanandrina tamin’ny 2009. Mety ho azo atao tsara izany ny manafoana ireo fanapahan-kevitra rehetra noraisin’ny fitondrana tetezamita hatramin’izay nijoroany izay, satria mety mitanila amina ankolafy iray, na manome tombontsoa azy, na fanapahan-kevitra noraisina mba hanilihana ny ankolafy hafa ilay izy.

Ny manampahefana amin’izao fotoana anefa dia manizingizina fa politikan’ny fisokafana no atao, ka afaka miditra izay mazoto handeha amin’ny sambo, tsy misy ny fanovana azo atao amin’ny rafitra rehetra, fa fanitsiana no azo tanterahana. Ny Ankolafy Telo, izay tena sarotra ny hanilika azy amin’ny famahana ny krizy sy ny sehatra iraisam-pirenena anefa dia mitaky ny hampiharana ny tetezamita iaraha-mitantana, araka ny satan’i Maputo, na dia nolazaina aza fa efa nilaozan’ny toetr’andro izany. Amin’izy ireo dia fanitsiana ny satan’i Maputo no azo atao fa tsy ny fanovana azy na fandrafetana drafi-pifanarahana vaovao hafa. Mbola ho henjana, araka izany, ny adihevitra.

 
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT