Nampihemotra tanteraka ny diany na mety tsy ho avy eto Madagasikara intsony ny Dr Leonardo Simao, iraky ny mpanelanelana amin’ny krizy eto Madagasikara. Ny tapatapaky ny volana aprily 2011 teo no nandrasana teto ny fiaviany.
Efa niomana tamin’izany ny tao amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny, ary efa nisy mihitsy aza fiantsoana mpanao gazety in-droa miantoana tamin’izay fa ho avy io diplaomaty mozambikanina io ary hihaona amin’ny minisitra Yvette Sylla. Tsy tonga anefa izy. Raha nandalo tao Maputo Mozambika anefa i Andry Rajoelina taorian’ny diany tany Namibia ny 18 aprily 2011 dia nitsena ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita teo am-pahatongavana ny Dr Simao, ary mbola tafaraka taminy raha nihaona tamin’i Joaquim Chissano itsy voalohany. Ny fisian’io fihaonana tany Maputo io ve no tsy nahatongavany teto intsony ? Fanontaniana mila valiny io. Raha izay izy dia toa manamarina ny ahiahin’ny Ankolafy telo fa miandany amin’ny ankolafy Rajoelina ny Dr Simao. Mbola tsaroan’ny maro rahateo koa ny nisafidianany ny Lapan’i Mahazorivo ny tolakandron’ny alatsinainy 07 martsa, nanaovany fanambarana fa hatao rangopohy eny Ivato ny 09 martsa 2011 ny sori-dalana hivoahana amin’ny tetezamita.
Atoa Marc Ravalomanana teo anatrehan’izay dia nilaza fa tsy asa fanelanelanana no nataon’ny Dr Simao fa nitsara. Tsy nisy rahateo na dia indray maraina aza fampihaonana miaraka an-databatra boribory ireo ankolafin-kery politika rehetra nandravonana ireo tolokevitra voarainy mba hiaraha-midinika, sy hiadian-kevitra mba handrafetana ny sori-dalana ifanarahana fa nataon’ny Dr Simao samirery tany. Ny sori-dalana nivoaka avy eo anefa dia nanome vahana sy fahefana mihoapampana ny filohan’ny tetezamita, izay niteraka olana vaovao indray, ka mahatonga ny Malagasy maro sy ny ankolafy politika samihafa hiantso ny FFKM sy ny CNOSC handray an-tanana ny fanelanelanana ny krizy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.