Politique

Dr Leonardo Simao Ho avy eto fa tsy mbola milamina ny raharaha


  • Alakamisy 21 Aprily 2011

Noho ny antony tsy mazava dia nahemotra amin’ny daty tsy mbola fantatra indray aloha ny hahatongavan’ny Dr leonardo Simao eto.

Tsy nisy moa ny fanazavana fanampiny avy ao amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny fa dia hoe nahemotra fotsiny ilay fahatongavana. Azo vinavinaina ihany anefa fa misy ifandraisany tamin’ny dian’ny filohan’ny FAT tany Namibia sy tany Mozambika, ary ireo fihaonana nisy tany ivelany isan-karazany momba ny famahana ny krizy eto Madagasikara no nahatonga izany. Midika izany fa mbola misy ny adihevitra any ambadimbadika any, ka na dia nisy aza ny filazana fa tsy hokitihana intsony ny sori-dalana dia mety hisy kely ihany ny fanitsiana azy io, tahaka ny natao tamin’ny satan’i Maputo, izay nasiana ny fifanarahana tovana norafetina tany Addis Abeba.

Tsara ho fantatra ihany fa ao anatin’ny fifampidinihana ho famahana krizy tahaka izao dia mety hisy foana ny fanovana amin’ny ora farany ilay fifanarahana fa karazan’ny diso ihany ny filazana fa tsy hiova intsony ny sori-dalan’ny SADC (?) fa tonga dia ampiharina avy hatrany. Tsy tokony hohadinoina ihany koa fa matoa mbola mandray ny delegasiona avy amin’ny andaniny sy ny ankilany ny SADC dia ao raha, ary tena mbola ao anatin’ny fanazavan-kevitra tanteraka izany ny rehetra amin’izao fotoana. Manampy izay dia mazava ny voasoratra ao amin’ny andininy faha-23 ao anatin’ilay sori-dalana fa ny SADC no manelanelana raha toa ka misy ny fifanolanana amin’ny fandraisana na fandikana io sori-dalana io. Mety samy manana ny fandikany azy sy ny tiany handraisana azy tokoa mantsy ireo ankolafy politika koa dia mbola mila fandaminana sy fandravonana avokoa izany rehetra izany, ary tsy misy mihitsy ny afaka milaza fa manana ny marina izany. Raha mbola hiverina eto Madagasikara Atoa Simao dia mazava ny resaka fa mbola misy izany ny zavatra mila alamina, na dia tsy mankasitra ny hidirany intsony ao anatin’ny asa fanelanelanana amin’ny krizy aza ny ankolafy telo, noho izy tsy manaja ny fenitra iraisam-pirenena amin’ny fanelanelanana ary koa naneho fiandaniana loatra amin’ny FAT.

 
Nangonin’i RTT.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT