Raha ny resaka nataony nialoha ny nialan’ity iraky ny SADC ity teto Madagasikara ny volana desambra 2010 dia ala nenina farany ny azy ireo amin’ny fikatsahana vahaolana amin’ny krizy, ka izay tsy vonona hiroso dia mijanona ho mpanohitra.
Nohamafisiny izany tamin’ny fiandohan’ny volana febroary 2011 raha voatery niverina tampoka tany Mozambika ny tenany, noho ny fahoriana nidona tamin’ny fianakaviany ka nahafatesan’ny rainy, fa mijanona ho mpanohitra izay tsy vonona hiroso amin’ny sori-dalana arosony, izay nozaraina tamin’ireo vondrona politika sy ankolafy samihafa teto ny 31 janoary 2011. Tsy nanao afa tsy ny nanarak’efa izay zava-boalazany izay ireo mpanao politika, indrindra fa ireo efa ao anatin’ireo rafitra najoron’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita. Raikitra nanomboka tamin’izay ny hoe “ndao hosoniavina ny sori-dalan’ny Dr Leonardo Simao”, hoy ny sasany ; “io no lalana hivoahana amin’ny krizy ka vonona izahay hanao sonia izany”, hoy indray ny hafa. Fivoriana tetsy, fanambarana teroa saingy ry zareo ao amin’ny fitondrana no hita ho tena seriny tamin’izany, fa tsy nampiraika ny Ankolafy telo akory. Izy ireo izay mihevitra fa tsy hitondra fitoniana velively eto Madagasikara io sori-dalana io.
Vao mainka anefa niakatra ny fientanam-pon’izy ireo raha tonga indray ny sori-dalana voahitsy naroson’i Joaquim Chissano, ny 16 febroary teo, niainga tamin’izay novolavolain’i Simao. Novoizina teto fa io no sori-dalana farany, ary dia natao tsianjery tamin’ny haino aman-jery. Nisy anefa ny taratasy nalefan’ny Amiraly tamin’i Joaquim Chissano, manazava ny fahitany ny raharaha sy ny faniriany hiverina an-tanindrazana hitondra vahaolana hivoahana amin’izao krizy izao. Tetsy ankilan’izay dia nisy ihany koa dinika mivantana in-droa miantoana nifanaovan’Atoa isany, Joaquim Chissano, lehiben’ny mpanelanelana iraisam-pirenena sy Marc Ravalomanana, lehiben’ny ankolafy Ravalomanana, tany Maputo Mozambika ny 22 febroary ary nitohy tao Sandton Afrika Atsimo ny 26 febroary, ka nisy ny fanambarana iraisana nifanaovan’ny roa tonta nivoaka tamin’izany, milaza fa tsy midika ho fankatoavana ny sori-dalana naroson’i Simao ka nitondran’i Chissano ny fanaovan-tsonia fahavononana hidinika sy/na handroso fanitsiana mikasika azy iny.
Tetsy andaniny, dia mampirisika ny hisian’ny fifanatonana sy ny dinika eo amin’ny samy Malagasy izy ireo hahafahana mamolavola sori-dalana iraisana. Tao anatin’izany koa no nivoahan’ny fanomanana fihaonana an-tampony, any amin’izay toerana ifanarahana, handraisan’ireo lehibena ankolafy sy vondrona politika lehibe anjara, hanaovana sonia izay sori-dalana ifanarahana. Taorian’izay dia niova ny tenin’ingahy Simao. Raha avy nihaona tamin’i Andry Rajoelina tao Ambohitsorohitra izy omaly maraina, dia nilaza fa misy ireo efa nanao sonia ilay sori-dalana ka nilaza fa mety aminy iny, ao ireo tsy Mankato izay zon’izy ireo tanteraka ny amin’izany, ary misy koa ireo nanao sonia ka milaza ny handinika ary hanao fanitsiana na handroso tolo-kevitra vaovao. Eo am-piandrasana izany ny iraka tarihiny amin’izao fotoana izao, tsy arakaraka ny fanerena tao anatin’ny fahamehana nataony tany amin’ny voalohan’ny taona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.