Politique

Dr Leonardo Simao Hiandronan’ny rihatra


  • Alakamisy 03 Febroary 2011

Miteraka adihevitra eto an-toerana ny amin’ny famaritana marina ilay drafitra hivoahana amin’ny krizy nivoaka teny amin’ny Galaxy Andraharo. Ao ny milaza fa iny no tolo-kevitry ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ao kosa ny manamafy fa sori-dalan’i Leonardo Simao iny, eo koa ny hoe fandravonana ny fifampidinihana politika rehetra tato anatin’ny roa taona izy iny.

Fa ho an’ny RFI (Radio France internationale), araka ny vaovao navoakany omaly maraina dia sori-dalan’i Leonardo Simao, ilay iraka manokan’ny SADC no famaritana azy, izany hoe mifanakaiky kokoa tamin’ny voambolan’ny ankolafy Ravalomanana izany. Fomba fijery sy fomba fiteny ihany moa izany, ary tsy tokony hipetrahan’ny adihevitra be. Amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ao anatin’ny vanim-potoana famahana krizy tahaka izao anefa dia misy lanjany lehibe ny teny sy ny fehezanteny tsirairay avy. Raha ny filazam-baovao tandrefana matanjaka tahaka ny RFI no milaza fa sori-dalan’i Simao no nivoaka teto, dia izay izany no izy, izany hoe raha misy ny tsy fetezana tampoka ka tsy mahavaha ny krizy iny drafitra iny dia ny Dr Leonardo Simao izany no tsy nahavita an-tsakany sy an-davany ny asany.

Raha mety dia mivadika hoe sori-dalan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ilay izy. Dia ho hita eo raha hahavita ny iraka nampanaovina azy ity Mozambikanina ity, na hanara-dia an-dry Tiébilé Dramé sy Ablassé Ouedarouego izay samy tonga teto Madagasikara nanelanelana sy namoaka sori-dalana fa tsy nahavaha krizy ary niverina any amin’ny tany misy azy avy any. Hita ho mitombina ny filazan’ny mpahay politika maro eto an-toerana sy avy any ivelany fa sarotra vahana ny krizy Malagasy ary tena zava-baovao ho an’ny Afrikanina zatra ady an-trano sy adim-poko.

 
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT