Nanamafy ny Dr Jules Andriamaholison, depiote voafidy tao amin’ny Boriborintany I, Antananarivo, avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara fa ho avy ny Filoha Marc Ravalomanana.
Nilaza kosa anefa izy fa tsy afaka ny hanome daty sy ora voatondro mazava ny amin’izany. «Mahagaga», hoy izy, «fa ny FAT izay nilaza ho tsy matahotra ny fahatongavany sady mila izany rahateo no nanakantsakana indray izany tamin’ny sabotsy teo, nefa ny Filoha Ravalomanana tena tapa-kevitra ny hody eto Madagasikara». Mikasika ilay sori-dalan’ny Dr Simao dia nambaran’ity mpanao politika ity fa, tonga tamin’ny alatsinainy teo indray ny Dr Simao, nitondra sori-dalana misy ny hoe «Version 1», «izany hoe mbola mety hisy «Version 2» na «Version 3» izany raha ny marina», hoy izy. Raha fehezina dia mbola hakana ny hevitry ny ankolafy politika rehetra io sori-dalana nentin’Ingahy Simao io dia mbola hoentiny any amin’ny SADC indray avy eo vao haverina tanteraka eto amintsika hanaovana ny sonia fifanarahana farany.
Mahagaga anefa fa efa misy vondrona antoko politika sasantsasany nilaza ho nanao sonia sahady ilay sori-dalana vakiraoka nentin’ny Dr Simao izay efa nilaza teo am-pahatongavana fa tsy mbola tena izy, izy io. Mikasika izay fahatongavan’ny Dr Simao izay, dia fantatra fa nihaona tamin’ity iraky ny SADC ity omaly maraina ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana notarihan’Atoa Mamy Rakotoarivelo sy Fetison Rakoto Andrianirina saingy tsy nisy nipika ny dinika tamin’izany. Nihaona taminy ihany koa Ratsirahonana Norbert Lala, mpanolotsaina manokan’i Andry Rajoelina sady mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.