Teboka telo no tena nahasarika ny Dr Joseph Randriamiarisoa tamin’ny fandaharana manokana tamin’ny haino aman-jerim-panjakana nataon’ny filohan’ny FAT nandritra ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety ny alahady alina lasa teo.
Voalohany amin’izany ny resaka fifidianana filoham-pirenena izay tsy nahafantarana marina ny hevitr’i Andry Rajoelina momba ny firotsahany na tsia. Midika ireny fa tsy fantany izay ataony fa mandeha anjambany fotsiny izy. Ny mpanao politika, indrindra fa ny tomponandraikitra voalohany amin’ny firenena izany dia efa manana hevitra mazava momba ny hilatsahany mialoha, hoy ity mpikambana ao amin’ny ankolafy Zafy ity. Aminy koa dia tsy ampy hamitana fifidianana madio sy eken’ny rehetra ny fampiasana ny bileta tokana sy ny fanavaozana tanteraka lisi-pifidianana satria ny famoronana biraom-pifidianana izay tsy misy akory sy ny fanovana ny fitanana an-tsoratra no tena fangalaram-bato. Notsindrian’ny Dr Joseph Randriamiarisoa ihany koa fa tsy vita ao anatin’ny enim-bolana izany fanavaozana ny lisi-pifidianana izany.
Mihevitra ity farany fa ny fametrahana ny fitoniana ara-politika aloha no mila imasoana vao miroso amin’ny fifidianana. Ny fitanisana ireo olana mianjady amin’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy toy ny fahasahiranan’ny Air Mad sy ny fisondro-bidin’ny solika kosa no tena nataon’i Andry Rajoelina momba ny raharaha sosialy sy ekonomika fa tsy nisy ny vahaolana narosony. Ny teny hoe “tokony” foana no naverimberiny, hoy ny Dr Joseph Randriamiarisoa momba izany. Fotoana nampitan’ny filoha Namibianina ny hevitry ny Sadc momba ilay sori-dalana sy anomezany koa ny soso-keviny mba hahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena no fahitany ny fihaonana tany Windhoek.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.