Politique

Dr Joseph Randriamiandrisoa “Mila mitandrina ny FAT”


  • Talata 14 Jona 2011

Miditra dingana vaovao ny famahana ny krizy eto Madagasikara, hoy ny Dr Joseph Randriamiandrisoa, avy amin’ny ankolafy Zafy Albert.

Ala nenina farany iny natao tany Sandton Afrika Atsimo iny, hoy izy, izay nanazava fa efa tany Gaborone no nanomboka izany dingana vaovao izany. Sehatra avo no misy ny raharahan’i Madagasikara, satria ireo filoham-panjakana mihitsy no nandray an-tanana antsika, hoy ny fanazavana ihany. Ankoatra izay dia nambarany fa tsy mandeha ho azy ireny fanapahan-kevitra sy fanambaran’ny ACP sy ireo Parlemanta Eoropeanina ireny.

Manoloana ny fanapahan-kevitry ny Sadc tany Sandton ary dia tokony hitandrina sy hieritreritra tsara ny FAT sy ireo tompon’andraikitra rehetra eto amin’ny firenena amin’izay zavatra hataony. Miha matotra sy henjana ny fianakaviambe iraisam-pirenena ka raha tsy mitandrina ny fitondrana dia ho sahirana isika. Taorian’iny fanapahan-kevitry ny Sadc iny dia dingana hafa indray no hodiavina amin’ny famahana ny krizy eto amintsika ka “enga anie isika tsy hanao izay tsy tokony hatao”, hoy ihany ny Dr Randriamiandrisoa.
 

Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT