Politique

Dr Emile Ratefinanahary Mitaky ny fampiharana ny sori-dalan’ny SADC


  • Alarobia 09 Febroary 2011

Manao tohivakana ny fanehoan-kevitra politika, manoloana fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena.

Manana ny fahitany azy ny Dr Emile Ratefinanahary miaraka amina Malagasy mila ravinahitra any Eoropa any, ka nilaza tamin’ny fanambarana nataon’izy ireo fa tsy hay ny hitazana fotsiny amin’izao ny fiainam-pirenena, fa «mila fahatsapana sy fandraisana andraikitra avy amin’ny tsirairay izay milaza azy fa Malagasy ary Tia Tanindrazana, indrindra fa ireo tompon’andraikitra sy mpanao politika». Roa taona katroka izao no nisian’ny adilahy politika teto amintsika, hoy izy ireo, maro ireo dingana nolalovana nitadiavana vahaolana, na teto an-toerana io na tany ivelany, ny vondrona iraisam-pirenena nanome iraka ny SADC ho mpanelanelana amin’izany. Tamin’ny fanambarana an-tsoratra nosoniaviny no nilazan’ny Dr Emile Ratefinanahary fa «tsy maintsy fifanarahana eo amin’ny samy Malagasy ihany no hahitam-bokatra».

Taorian’ny fifanarahana nataon’ireo antoko politika maherin’ny zato teny Ivato dia niha mazava ny lalana ivoahana amin’ny krizy, hoy ihany ny fanazavana. «Voatsangana ny Parlemanta izay andraisan’ny maro an’isa anjara, vita ihany koa ny fitsapan-kevi-bahoaka nahalany ny lalàmpanorenana izay mampiditra antsika ho ao amin’ny Repoblika fahefatra, tonga teto amintsika ny iraky ny vondrona SADC nanangona ny soso-kevitry ny rehetra ka namoahany ny famintinana izany dia ilay sori-dalana izany. Mazava tsy misy zava-miafina mbola mila fandikana amin’izay itiavan’ny tsirairay azy toy ny tany Maputo sy Addis-Abeba ity sori-dalana ity».

Milaza ny Dr Emile Ratefinanahary fa «manohana ary mitaky ny fampiharana tsy misy hatak’andro io sori-dalana nataon’ny SADC io» izy ireo, toy ny antso efa nataon-dry Raharinaivo Andrianatoandro. Izany, hoy ihany ny fanazavana, dia noho ny fametrahana avo hatrany ny tombontsoam-pirenena sy ny Vahoaka Malagasy izay iaraha-mahita fa tra-pahasahiranana tokoa. «Miantso ireo izay mbola misalasala ary miangavy ireo tsy mbola tapa-kevitra mba handinika tsara sy hametraka ny tombontsoan’ny besinimaro ho laharam-pahamehana» koa izy ireo tamin’ny fanambarana nataony ny alatsinainy 07 febroary teo.

 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT