Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly talata 3 mey ny fivoriana ara-potoana voalohany an’ireo rafitra roa mpanao lalàna ao anatin’izao tetezamitan’ny FAT izao dia ny Filankevitra Ambonin’ny tetezamita sy ny Kongresin’ny tetezamita.
Lasitra iray raha akapoka ny kabary fanokafana nataon’ny filohan’ireto rafitra roa tonta ireto, Raharinaivo Andrianatoandro ny maraina teny Tsimbazaza sy Rasolosoa Dolin ny folakandro tetsy Anosy. Samy nanainga ny rehetra hibanjina ny famahana ny krizy amin’izay izy ireo ka hamela ny hambom-po diso toerana ary hibanjina ny tombontsoam-bahoaka satria efa ela loatra ny krizy niainana tao anatin’ny roa taona izay. Samy nanambara ampahibemaso ny ho votoatin’ny zavatra hodinihana ao anatin’izao fivoriana ara-potoana izao ihany koa izy roalahy dia ao ny sata mifehy an’ireo filoham-panjakana teo aloha, ny sata mifehy ny antoko mpanohitra, ny lalàna momba ny famotsoran-keloka, ny fampihavanam-pirenena ary ny fifidianana. Ny fivorian’ireo filoham-baomiera isanisany no tena hamaritra ny fandaharam-potoana amin’izany. Niaro tena fatratra kosa anefa ny filohan’ny CST, Rasolosoa Dolin ny amin’ireo fanakianana heno sy hita tamin’ny haino aman-jery samihafa nilaza fa tokony hofoanana ny CT sy CST fa mandany volam-panjakana fotsiny, ka nitodika manokana tamin’ireo namany tao anaty kabary nilaza fa «tsy mipetra-potsiny isika mpanao lalàna fa mifanohana amin’ny governemanta, nanolotsaina azy ireo tamin’ny alalan’ny fandrisihana ny fampidinana ny vidin’entana, tamin’ny fijerena ny zava-misy eny anivon’ny vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana ka nahatontosana ny fananganana toha-drano teny Avaradrano teny.
Tao koa ny dinika fifanakalozan-kevitra tamin’ireo vondrona iraisam-pirenena toy ny COI. Samy tsy afa-po tamin’ny kabary fanokafana nataony ireto filoha mirahalahy ireto fa mbola samy nitafatafa tamin’ny mpanao gazety avy indray izy ireo taorian’ireo lanonam-panokafana roa. Samy voaresaka ny amin’ny fanitarana ireo andrim-panjakana roa ireo izay mbola hisian’ny fandinihana atao ankehitriny. Tao koa ny dinika mangina nifanaovana tamin’ireo tany amin’ny fanoherana taloha ka nanaiky niditra ao amin’ny rafitry ny tetezamita FAT. Tsy namaly nivantana ny mety hisian’ny fanesorana mpikambana ao amin’ireto rafitra ireto kosa ny filoha mirahalahy saingy nanamarika fa «eran-tany dia tokony ho olona mendrika na eo amin’ny fitondran-tena na eo amin’ny fitantanam-bola sy raharaha no mpikambana ao amin’ny rafitra mpanao lalàna». Ho an-dRaharinaivo Andrianatoandro manokana dia tsaho no fiheverany ny fanangonan-tsonia mikasa ny hanongana azy satria tsy mbola naharay izany taratasy izany izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.