Mbola ao amin’ny heriny tanteraka ny antoko Tiako I Madagasikara ao amin’ny Distrikan’Antanifotsy Faritra Vakinankaratra. Hita taratra io nandritra ny fifampiarahabana nahatratra ny taona natao tao amin’ny Kaominina Ambohimandroso Gara omaly alahady 27 febroary.
Vory lanona tanteraka ireo solontenan’ny antoko avy any amin’ireo Kaominina 12 mandrafitra ny Distrika na dia eo aza ny fahalaviran’ny toerana misy ireo Kaominina sasany satria dia misy ny any amin’ny sisin-tany mampisaraka ny faritanin’i Toamasina ny sasany. Nanamafy i Sely Tiana, filohan’ny DisTIM Antanifotsy, fa Antanifotsy no tsy nahitana mpikambana nivadika na namadika izany ary nambarany ampahibemaso ihany koa fa ny Distrikan’Antanifotsy dia tsy miaraka amin’ny mpamadika ny filoha Ravalomanana. Sarotiny koa izy ireo amin’ireo mpitarika ny antoko ary nampitandrina mihitsy ny tsy hamitahana ny filoha Ravalomanana sy ny vahoakan’ny Distrika Antanifotsy.
Nanamafy moa ireo delegasionina nafonja avy eto Antananarivo notarihin’Atoa isany Mamy Rakotoarivelo, Sekretera jeneralin’ny TIM, sy Fetison Rakoto Andrianirina, fa tsy misy fifanarahana azo atao raha tsy tanteraka ny fepetra fitakiana dia ny fampodiana ny filoha Ravalomanana ary afaka milatsaka hofidiana izy, fametrahana lamina mazava amin’ny tontolo politika sy sosialy, famoahana ireo gadra politika, fanokafana ireo haino aman-jery nakatona rehetra, famotsoran-keloka sy fahalalahana maneho hevitra, … ary nahitsy mihitsy izy ireo niteny fa tsy ho mpitazana ny hidiran’ny Ankolafy Ravalomanana ao amin’ny tetezamita fa ho mpandray anjara feno.
Nanentana ireto mpikambana Atoa Mamy Rakotoarivelo fa fotoana fihetsehana izao ary ampahafantaro ireo mpitondra ireo fa misy isika ary mbola mijoro sy matanjaka ary vonona handray anjara feno amin’izay fifidianana rehetra miainga eo rehefa feno ny fepetra rehetra. Vory lanona tanteraka moa ireo mpitarika ny Antoko avy ao amin’ny faritra vakinankaratra nandritra ity fihaonana ity na dia mbola mipetraka aza ny fidinana sy fiakarana mahazo azy ireo any amin’ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.