Politique

Dinika any Gaborone Nampitandrina an-dRajoelina ny filoha zambiana, Banda


  • Alatsinainy 06 Jona 2011

Raha eto an-tanindrazana no manao vavabe amin’ny mpiray tanindrazana aminy, indrindra fa ireo mpifanandrina politika aminy ny filohan’ny FAT dia mety ho azo noleferina ihany.

 Efa tsy dia mahagaga ihany koa izany toe-javatra izany satria zary efa fanaony. Vao nandrombaka fahefana tamin-kery nakana fitondrana mantsy i Andry Rajoelina dia anisan’ny vavany tamin’ny taona 2009 ny hanalana an’i Madagasikara tsy ho mpikambana eo anivon’ny SADC rehefa tsy nankato azy ity farany. Tsy nijanona teo moa fa dia vao haingana no henjam-piteny ihany ny filohan’ny FAT raha tsiahivina, nandritry ny Santabary 2011 tany Analavory. Tsy afa-manoatra anefa fa tsy maintsy mbola hiladilady any amin’ireo vahiny ihany hahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena.

Manoloana ireo vavabe izay miharo fiampangana ny SADC àry dia nampitandrina an’i Andry Rajoelina ny filoha zambiana sardy filoha am-perinasan’ny SADC, Rupiah Banda mba tsy handany andro azy ireo (ireo mpanelanelana) fotsiny, araka ny tatitra nataon’ny Africareview.com. Karazan’ny nandrangaranga “ady” tokoa manko ny TGV sy ireo mpomba azy raha toa ka tsy ny fanasoniavana ny tondrozotrany no hatao any Gaborone. Tetsy andanin’izany kosa anefa dia nanambara ny filoha Ravalomanana fa vonona ny hampihatra sy hanaraka izay tapaky ny SADC amin’ity fihaonana any Gaborone ity. Araka ny tapaka tamin’ny fihaonan’ireo filoham-panjakana eo anivon’ny vondrona SADC natao tany Windhoek momba ny raharaha Madagasikara tokoa mantsy dia hihaona any Gaborone manomboka amin’ity anio ity ireo ankolafy politika malagasy hijerena izay vahaolana maharitra amin’ny krizy sy handrafetana miaraka izay ho sori-dalan’ny tetezamita.

Ny filoha zambiana Rupiah Banda sy ny filoha afrikana tatsimo Jacob Zuma ary ny filoha mozambikana teo aloha sady lehiben’ny mpanelanelana Joaquim Chissano no nirahin’ny SADC hitarika ity fihaonana any Gaborone hitadiavam-bahaolana amin’ny krizy eto amintsika ity. Raha zohina ny raharaha dia nisy ny tsy fahombiazan’ity vondrona ity nitarika izany fanelanelanana izany. Efa ho telo taona ngarangidina tokoa mantsy no nihitsoka ny raharaha teto amintsika ary na ny vahiny aza dia samy mahita fa mikatso ny toe-draharaha ary tsy mahafa-po ny fanelanelanana teto Madagasikara, araka ny nambaran’ny filohan’ny Vaomiera eoropeanina, José Manuel Barroso.

 

Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT