Politique

Dingana vaovaon’ny Rodobe Hitety trano eny Ankadilalana


  • Zoma 27 Mey 2011

Hiroso amin’ny dingana vaovao ny hetsiky ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny tanindrazana manomboka anio.

 Hitety trano ! Io indray no fandaharanasa, raha ny nambaran’ny mpitarika taorian’ny atitra taratasy natao tao amin’ny masoivohon’i Frantsa etsy Ambatomena omaly tolakandro. Niditra an-tsehatra ny vehivavy. Tsy atao mahagaga ny amin’io satria any amin’izy ireo no tena miantraika ny krizy. Ao ny maty vady na any am-ponja ny vadiny, ireo very asa manginy fotsiny manampy ireo izay rehetra mahatsiaro fa ianjadian’ny tsy rariny sy ny tsindrihazolena.

Vokatry ny krizy avokoa izany. Ny masoivoho frantsay Jean-Marc Châtaignier no nandray ny delegasiona tonga tao Ambatomena. Vahoaka maro sady nilamina kosa no niandry azy ireo teo ampitan’ny ambasady, na teo aza ny fanelingelenana nataon’ny mpitandro ny filaminana. Ny hampahafantatra ny zava-mihatra amin’ny Malagasy no anton-dian-dry Ruffine Tsiranana mbamin-dry Ihanta Randriamandrato, sy nilaza amin’ireo firenena mbola manampy izao fitondrana  FAT izao, fa hijoro hatrany ny Rodobe raha tsy mijoro eto ny tetezamita iarahana, tony ny firenena, mivoaka ny gadra politika ary atao ny fampihavanam-pirenena izay vao miresaka fifidianana. Hihazo an’Ankadilalana indray ny Rodobe anio maraina. Eny no hisantarany ny fitetezan-trano. Hitarika izany eny an-toerana ny Profesora Zafy Albert, harahin’ireo vehivavy izay voatana am-ponja ny vadiny, toy izany koa ireo niharam-boina sy herisetran’ny hery famoretana, hampahafantatra ny fianakavian’ireo mpitarika ny Emmoreg ny zava-manjo azy ireo ataon’ireto farany. Hihazo an’Anosy hiandry ny valin-tenin’ny Fitsarana, mikasika ny taratasy nalefa tany mitaky ny hamoahana ireo gadra politika sy hampitsaharana ny fisamborana ny Rodobe aorian’izay. Ny zavatra hita aloha dia nangina ny baomba baomba nidobodokoka teny Anosy teny hatramin’ny fiandohan’ity herinandro ity.

 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT